Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

avylavitra · Avrily, 2012

imailaka avylavitra

Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Avrily, 2012

Fomba Ahoana No Tokony Hitantanantsika Ny Aterineto? Vovonana Manerantanin'ny INET 2012

Ilay sehatra fifanakalozan-dresaka INET 2012 dia hatao ny 22 hatramin'ny 24 Aprily 2012 ao Genève, any Suisse. Azo atao ny manaraka ilay vovonana avy any lavitra any, mikasika ny fiainana manokana, ny tsy fiandanian'ny Net, ny IPv6, ny fiarovana, ny amin'ireo votoaty niomerika sy ny zava-baovao, ny zon'olombelona sy ny...

Iran: Alika Fitaiza Notazonin'ny Mpitandro Filaminana Indray

Ny Fikambanana Iraniana Manohitra ny Fanaovana Herisetra amin'ny Biby dia mitatitra [fa] fa alika manodidina ny 20 teo tamin'ny herinandro lasa no nosamborina tao amin'ny kianjan'i Pardisan rehefa nentin'ny tompony mba niasa dia teny

Sénégal : #Sunu2012, Fomba Iray Hitan'ny Afrikana Hanaraha-maso Ny Fifidianana

Ny harivan'ny fihodinana faharoa amin'ny fifidianana izay ho filoham-pirenana senegaly, tamin'ny 9 ora alina i Pape Alé Niang mpanao gazetin'ny 2stv dia efa afaka nanome sahady ny fironana mavesatra avy amin'ireo vokatra. Ireo vokatra sy vinavinan'ny #Sunu2012 no navoakan'ny fahitalavitra senegaly ary avy amin'izy ireny no azo antoka fa nahafahana...

Bahrain: Entona Mandatsa-dranomaso, Herisetra MAnodidina Ny Hazakazaka Grand Prix F1

Nampiantrano ny Formula One Grand Prix i Bahrain ny 22 Aprily, saingy fihetsiketsehana goavana iray no nialoha làlana ny hetsika fanokafana ilay fifaninanana hazakazaka. Tanatin'ireo fifandonana dia nandefa entona mandatsa-dranomaso sy grenady mankarenin-tsofina ny polisy, ka i Salah Abbas Habib, iray tamin'ireo mpanao hetsi-panoherana no hita namoy ny ainy..

Matin'ny Bala Iray i Ahmed Ismael, Tsy Toy Izany Kosa Ireo Lahatsariny

Rehefa miresaka mikasika ireo olo-malazan'ny tolona ho amin'ny fahalalahana, dia mahatsiao foana an'ireo olon-tsotra mpitati-baovao aho. Ireny tanora lahy sy vavy izay mampakatra lahatsary sy fanavaozam-baovao anaty aterineto ireny mba ho hitan'izao tontolo izao no tena mahery fo marina tokoa. Tsy zavatra mora akory izany hoe eny anivon'ny famoretana ataon'ny...

Hong Kong: Lavin'ny Vahoaka Ny Fifidiana Ben'ny Tanàna Tsy Tamin'ny Fomba Demaokratika

Amin'ireo tale mpanatanteraka 1.200 mpikambana amin'ny kaomitim-pifidianana ao Hong Kong, 689 no nifidy an'i Leung Chun-ying ho ny ben'ny tanàna manaraka ny 25 Martsa. Rehefa navoaka ny valim-pifidianana, an'arivony ireo mpanao fihetsiketsehana nanohitra ny fanodinkodinana ny fifidianana nataon'i Beijing teo ivelan'ny biraom-pifidianana vonjimaika.

Miezaka Ny Hiditra Indray Ao Shina Ve Ny Facebook?

Niverina avy any Shina ny Tale Jeneralin'ny Facebook, Mark Zuckerberg. Maro ireo mpanao gazety tany an-toerana sy ireo mpiondana aterineto no nahatsikaritra azy sy ny sipany, Priscilla Chan, tao Shanghai tamin'ny Talata lasa teo, 27 Martsa, ary indray mandeha indray, niparitaka toy ny afo ny honohono tany anaty aterineto: Mikarakara...

Brezila: “Kilombos”, Tantaran'Andevo Mampifandray Kaontinanta Telo

Anatin'ity lahatsoratra ity, isika dia hitsangantsangana hitety ny lasa anaty kaontinanta telo miaraka amin'ny 'Kilombos', fanadihadiana iray navoaka tamin'ny Martsa tao Portiogaly, izay "mitondra antsika hamakivaky ireo lovantsofin'ny fitantaràna am-bava ny fiaviana Afrikana ananan'ireo vondrom-piarahamonina Quilombo, mampiseho ny fifanenan'ireny fiaviana ireny amin'ny fomba aman-kolontsain'ny vanim-potoana".