Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Janoary, 2012
India: Ny Tranga Hafahafan'ny Fandrakofana Lamba Ireo Sarivongana Mba Hiantohana Fifidianana Mangarahara
Naneho hevitra momba ny baiko vao haingana nomen'ny Kaomisionam-Pifidianana Indiana fa hoe ireo sarivongana rehetra ao amin'ny fari-panjakan'i Uttar Pradesh maneho ny Praiminisitra ankehitriny Ramatoa Mayawati sy ny mari-pamantarana ny antokony, ny elefanta, dia horakofana lamba ny Alarbia 11 Janoary 2012.
Syria: Mpiondana Aterineto Tezitra Noho Ny Kabarin'i Assad
Nanao kabary lavabe nivaralila ny Filoha Siriana Bashar Al Assad omaly (10/01/2012), izay nahatezitra mafy an'ireo Siriana mihetsika manohitra ny fitondrana jadony. Rehefa miteny ireo mpitondra Arabo, dia mandray ny fitendry ireo Arabo mpiondana aterineto ka mandray anjara anaty resaka mikasika ireo filoham-panjakana izay voan'ny nataony ihany ka tonga amin'izao toerana misy azy izao. Ity misy fanaovana bango tokana ireo fanehoan-kevitra avy tao amin'ny Twitter tamin'i Al Assad niresaka tamin'ny vahoakany - dia tsy iza fa ireo vahoaka ireo ihany izay novonoina noho ny fihetsehany ho an'ny zony ara-demaokratika.
Taiwan: Tsy Mijery Ny Fahorian'Ireo Tantsaha Ny Fandinihana Ny Làlana Momba Ny Fakàna Ny Tany
Koa satria efa mihamanakaiky ny fifidianana ny ho filoham-pirenena, ireo mpanao politika mpikambana ao amin'ny Yuan mpanatanteraka dia nanapa-kevitra ny hamerina handinika ilay lalàna. Na izany aza, raha tokony ho ny fahorian'ireo tantsaha no vahàna, tamin'ny 13 Desambra 2011, ireo mpanao lalàna avy ao amin'ny Yuan mpanao lalàna dia nandàny fanitsiana iray tamin'ilay lalàna izay nampidirany ny maha-lohalaharana ny fampandrosoana manoloana ny fanajàna ny zon'olombelona.
Slovakia: Hetsi-panoheran'ny Mpitsabo
Iray amin'ireo hetsika Slovaky isan'ny nanana ny lanjany tokoa tamin'ny 2011 ny hetsi-panoherana nataon'ireo mpitsabo maherin'ny 2000 avy amin'ny toeram-pitsaboana an'ny fanjakana ; 1.200 tamin'izy ireo (avy amin'ny efa ho 6.500) no nampiato vonjimaika ny fifanarahan'asan-dry zareo toarian'izay. Tibor Blazko no manazava ny toe-draharaha sy mandika ny fomba fijerin'ny vahoaka ny resaka fandraisana an-tànana ny fahasalamana.
Ireo Teboka Lehibe Avy Amin'ny Kaongresy faha-28-n'ny “Chaos Communications”
Ny Chaos Communications Congress dia fihaonana isan-taonan'ny antsoina hoe Chaos Computer Club ao Alemaina, fikambanana isan'ny tranainy indrindra ahitàna ireo hacker eran-tany.Ilay fandaharanasa dia mampivady ireo resaka ara-teknika eo amin'ny sehatry ny fiarovana sy ny rindrambaiko malalaka amin'ireo resaka mikasika ny zo ny ny 'hacktivism' ety anivon'ny aterineto.
Syria: Damaskaosy “Fanaovana Vy Very Ny Aina” Sy Fanamboamboarana Ataon'ny Fahitalavi-Panjakàna
Raha hetsi-bahoaka goavana no mitranga manerana ny faritra maro eo amin'ny firenena mitaky ny hifaranan'ny fitondran'i filoha Siriana Bashar Al Assad, ny fahitalavi-panjakana Siriana kosa nitatitra fanapoahana baomba nataonà mpanao vy very ny ainy tany amin'ny manodidina an'i Midan any Damaskaosy tamin'ny Zoma 6 Janoary. Ireo lahatsary sasany mivezivezy any anaty aterineto dia mampiseho mazava tsara ny fisian'ny fanamboamboarana, hoy i Leila Nachawati Rego manoratra.
Hongria: Fahatsiarovana Avy Amin'ny Lasin-Dohataona Reharehan'ny Roms Tao Barvalipe
Tanora Roms valo ambiroapolo no niaraka tamin'ny volana Aogositra 2011 tamin'ilay Lasin-Dohataona Reharehan'ny Roms voalohany nahafahan-dry zareo nianatra momba ny teniny, ny tantarany, ny anjara toerany ho filamatra ary izay zava-bita, mba ho ezaka hametrahana fahatsapan-tena ho manana adidy sy olona tompon'andraikitra ara-tsosialy.
Miresaka Momba Ny Mety Hamelana Heloka An'i Alberto Fujimori ny Peroviana
Ny iray amin'ny lohahevitra tena ifanakalozan-dresaka be ao Pero ankehitriny, indrindra fa any anaty tambajotra sosialy, dia ny mety hahazoan'ilay filoha teo aloha Alberto Fujimori, izay manefa sazy 25 taona any an-tranomaizina noho ny heloka bevava mahakasika zon'olombelona sy kolikoly, famelàna noho ny maha-olona.
Indonezia: Mafàna Fo Maty Taorian'ny Dorotena Nataony Nanoloana Ny Lapam-panjakana
Ireo bilaogera Indoneziana dia miresaka momba ilay mafàna fo Sondang Hutagalung, izay nandoro tena ho faty teo anoloan'ny lapam-panjakana, hoe mahery fo sa olona mahery fihetsika izy.
Zeorzia: Fodian'ireo Tiorka Meskhetian
Silamo maherin'ny 100.000 no nailik'i Joseph Stalin tamin'ny 1944 avy ao amin'ny faritra Meskheti ao Zeorzia. Ankehitriny, 60 taona mahery aty aoriana, manomboka miverina tsikelikely ny sasany ao anatin'ny andraikitry ny firenena manolona ny Folankevitr'i Eraopa.