avylavitra · Desambra, 2011

Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Desambra, 2011

Bahrain: Mpampiasa Twitter Voafonja Nandritra Ny 66 Andro Noho Ny Fandefasana Bitsika

Ny tontolo Arabo dia malaza amin'ny fisamborana sy fampijaliana ireo bilaogera sy mpiondana aterineto ary tsy taraiky amin'izay i Bahrain. Mpampiasa Twitter iray no nandefa bitsika mitantara ny zavtra niainany nandritra tato anatin'ny andro vitsy mba hizaràna ny tantarany amin'izao tontolo izao. Miteny izy fa voafonja nandritra ny 66 andro noho ny bitsika maro nalefany.

Ho An'ireo Shinoa Mpiondana Aterineto, ny SOPA Dia Rindrimbe Iray Hafa Indray

GV Mpisolovava  08 Desambra 2011

Niteraka fanehoan-kevitra feno fanalàna azy teo amin'ny tontolon'ny aterineto miteny Shinoa ny momba ny lalàna Stop Online Piracy Act (SOPA), na Fandraràna ny Fijirihana ao amin'ny Aterineto izay andrasana ho entina hofidiana eo amin'ny Antenimiera Amerikana alohan'ny faran'ny taona. Voakinan'ny Amerikana foana ny governemanta Shinoa tamin'ny fanelingelenana ny fivezivezen'ny vaovao tamin'ny alàlan'ny rafitra iray fanivànana fanta-bahoaka amin'ny hoe ilay Rindrimbe, na Great Firewall. Anjaran'ny Shinoa mpiondana aterineto indray izao ny mihomehy amin'ny tolo-dalàna momba ny Great Firewall Vita Amerikana.

Syria: Afaho i Razan Ghazzawi

Nosamborin'ny manampahefana Siriana tao amin'ny sisintany manasaraka an'i Jordania sy Syria androany (Alahady 04 Novambra2011) ilay bilaogera Razan Ghazzawi. Teny an-dàlana hanatrika ny atrikasa momba ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety eo amin'ny tontolo Arabo izay hatao ao Amman i Ghazzawi no izao voasambotra izao. Niteraka fanakianana sy hatezerana avy amin'ireo bilaogera sy mafàna fo maro manerana ny tany ny fisamborana azy, izay mangataka ny hamotsorana azy tsy misy hatak'andro.