avylavitra · Mey, 2011

Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Mey, 2011

Ho Fahatsiarovana an'i Paulina Aguilera, Mpanoratry ny Global Voices

  16 Mey 2011

Malahelo mafy tokoa izahay tamin'ny nahafatesan'i Paulina Aguilera Muñoz, mpanoratry ny Global Voices, mpanao gazety, mpitoraka bilaogy, ary renim-pianakaviana niteraka roa. Avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao, nandefa ny fiaraha-miory sy mari-panajana ho an'ilay mpiaro tsy misy fepetra ny zon'olombelona izahay

Shina: Pehana Koa Izao Ny Fitaovana Fandinganana

GV Mpisolovava  15 Mey 2011

Maromaro ireo Sinoa mpiondana aerineto no nitatitra fa nanomboka tamin'ny 6 May 2011 dia najary tena sarotra tokoa ny mitsidika ireo vohikala vahiny avy amin'ny alalan'ny tolotry ny China Telecom sy China Unicom. Tamin'ity indray mitoraka ity ny fahatapahana dia nahazo indrindra indrindra ny fifandraisan'ireo vondron'orinasa, tafiditra anatin'izany ny anjerimanontolo, raha toa kosa ka nandeha tsara ny ADSL tany amin'ny isan-tokantrano.

Espana: Namely An'i Murcia Ny Horohorontany

  13 Mey 2011

Tratry ny horohorontany in-droa i Lorca, any amin'ny faritr'i Murcia, ao Espana, tamin'ny 11 May. Niteraka fahafatesan'olona sivy sy naharatrana manodidina ny 300 teo ho eo hatreto ireo horohorontany, nanana tanjaka 4.1 sy 5.1 [es] tamin'ny maridrefy Richter, miampy ireo rambony taty aoriana. Vaovao, fanehoan-kevitra sy fanohanana samihafa no niraraka tany anaty bilaogy ary tambajotra dizitaly tany.

Slovakia: Mpanjifa Kilasy Faharoa

Na dia mety hiandrandra vokatra avy amin'ny karazana iray hitovy kalitao manerantany aza ny mpanjifa, misy foana ny fahasamihafàna isam-paritra eo amin'ny kalitao sy ny vidiny, miankina amin'ny hoe novokarina ho an'ny mpanjifa ao Eraopa Andrefana na ho an'ireo any Eraopa Afovoany sy Atsinanana. Tibor Blazko mitatitra ireo fanehoankevitra avy amin'ireo Slovaky mpiondana aterineto tamin'ny fanadihadiana iray mikasika io olana io.

Espana: Lahatsarin'Ilay Horohorontany Tao Lorca

  13 Mey 2011

Lahatsarin'olon-tsotra no maneho ny taorian'ilay horohorontany nanana hery hatramin'ny 5.1 sy 4.5 namely ny tananan'i Lorca any amin'ny faritra'i Murcia, Espana ny 11 May. Araka ny Filankevitry ny Tanàna, eo anelanelan'ny 20 000 sy 30 000 eo ny olona natory teny an-dalambe, raha mbola eo an-dalam-panamarinana ireo tranobe ny brigady voatokana ho amin'izany.

Tratry Ny Tazo Bieber i Brunei

  11 Mey 2011

Hanao fampisehoana goavana any amin'ny firenena maro ao atsimon'i Azia i Justin Bieber saingy toa adinony kosa i Brunei. Ary izany dia nanosika ireo mpankafy an'i Bieber ao Brunei hampiasa ny aterineto amin'ny alalan'ny twitter, bilaogy, sy youtube mba handresena lahatra ity mpihira ity hitsidika an'i Brunei.

Tonizia: Miverina indray Ny Herisetran'ny Polisy

Niverina an-dalambe n itaky indray ny fialan'ny governemanta ry zareo Toniziana, taorian'ireo fanambaràn'ny Minisitry ny Atitany teo aloha Farhat Rajhi nivoaka tao amin'ny pejy Facebook iray fa hoe hitohy hotantaninà governemanta miafina i Tonizia, tarihan'ny naman'i Ben Ali iray, dia i Kamel Ltaief ankoatry ny zavatra hafa. Ary indray mandeha indray, niatrika ny herisetra sy famoretan'ny polisy ireo mpanao hetsi-panoherana.

Fifaninanana Erantany Fitorahana Bilaogy Momba Ny Olan'ny Rano

  10 Mey 2011

Ny European Journalism Centre (Ivontoerana Eraopeana ho an'ny Fanaovan-gazety) dia mampanao fifaninana mitoraka bilaogy ato anatin'ny 3 volana miompana amin'ny olan'ny rano, nomena ny anarana hoe TH!NK5. Mpitoraka bilaogy avy amin'ny firenena 40 samihafa no nirotsaka hifaninana, samy te-hahazo ny loka amin'ny famaranana: fandehana any Lisbon, Portugal. Indreto ny sasany amin'ireo lahatsoratra be mpahalala indrindra sy avy any ifotony nosoratan'ny sasany tamin'ireo nivoaka ho mpandresy: