Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Oktobra, 2010
Horonantsary: Ahoana no hikajiana ny rano ho madio lalandava sy hampiasàna azy am-pisainana
Avy amin'ny toro-làlana ho fampiasàna ny rano efa niasa na fifehezana ny firobarobàna rehefa mampiasa trano fidiovana isika, natao ho an'ireo ankizy madinika any Valle del Colca ao Peru, anazavàna ny maha-zava-dehibe ny tokony hitandroana ny loharanon-drano iraisan'ny daholobe ho madio lalandava. Miaraha aminay mandritra ny Blog Action Day itetezanay izao tontolo izao miaraka amina Horonantsary Fikajiana avy amin'ny Vazantany rehetra.
Ejipta: Fepetra Vaovao Hanaraha-maso ny Votoatin'ny SMS

Ny National Telecommunications Regulatory Authority (NTRA), Manampahefana mpandrindra ny fifandraisandavi-pirenena, dia nanapa-kevitra hametraka rindran-damina vaovao ao Ejipta tamin'ny 11 Oktobra hanerena ireo orinasa rehetra mpandefa hafatra fohy (SMS) gaboraraka mankany amin'ny finday mba haka fahazoan-dàlana avy amin'ny sampan-draharaham-pirenena sy hàka fankatoavana mikasika ny votoatin'ny hafatra alohan'ny handefasana azy ho ana sokajin'olona manokana, izay napetraka hanaramaso ny tolotra SMS
Sina: Rehefa tapaka ny tambajotra ao Xinjiang…

Taorian'ny sahotaka tao Urumqi tamin'ny 5 Jolay 2009 dia tapaka nandritry ny volana maro ny tambajotra sy ny fifandraisana tao Xinjiang. Hatreto, tsy dia nisy tatitra mazava mikasika izay zava-niseho. Tsy ela akory izay dia nisy mponin'ny aterineto nanome antsipirihany momba ny zava-nitranga teo anelanelan'ny 6 Jolay sy ny 25 Desambra 2009 tao Xinjiang ao amin'ny daynew.net. Ity ambany ity misy famintinana fohy an'ilay tatitra.
Maraoka: Manohitra ny fampijaliana, na aiza na aiza
Naneho ny tsy hafaliany noho ny tsy firaharahàn'ny mpampahalàla vaovao mahazatra sy ny mizàna tsindriana ila ataon'ny governemanta ireo mpitoraka bilaogy, taorian'ny nahafatesan'ny tanora Maraokana iray teo am-pela-tànan'ny manampahefana solontenam-panjakana.
Fahaiza-mahandro Meksikana nambàran'ny UNESCO ho Raki-tsarobidin'ny Lovan-tsofina sy tsy fanova ananan'ny zanak'olombelona
Ny fahaiza-mahandro meksikana dia malaza amin'ny fahamaroan'ny karazan-tsirony sy ny lokony, ny ny fifangaroana karazan-taharo manaitaitra sy ny zavatra ilaina manokana ao anatiny. Tamin'ity taona ity no nanambaràna azy ho Raki-tsarobidin'ny Lovan-tsofina sy tsy fanova ananan'ny zanak'olombelona - "Masterpiece of the Oral and Intangible Heritage of Humanity" avy amin'ny UNESCO.
Azerbaijan: Ny karatra Armeniana no lalaovina
Raha mbola eo ampanomanana ny fifidianana izay ho ao amin'ny parlemanta hatao amin'ny 7 Novambra i Azerbaijan, ireo mpitoraka bilaogy avy amin'ny mpanohitra kosa efa maneho sahady ny tsy hafaliany momba ny ho fomba fizotran'ny fifidianana. Tamin'ity herinandro ity ohatra, nipoitra ny olana momba ny fandraketana ny anaran'irao mpirotsaka avy amin'ny mpanohitra, ary ankehitriny ny gazety ao an-toerana dia manomboka mamoaka ny kiana avy amin'ny governemanta milaza azy ireny ho fampielezan-kevitra maloto mikendry fotsiny ny hanaratsy endrika azy ireo eo imason'ny mpifidy
Ejipta: Mamely an'i Eissa, na mamely ny fahalalahan'ny fanaovan-gazety
Ny tompony vaovao ao amin'ny Al-Dostour - iray amin'ireo gazety tsy miankina malaza ao Ejipta - dia nandroaka an'i Ibrahim Eissa, tonian-dahatsoratra sady mpiara-namorona ny gazety, nanokatra varavarana ho an'ny mpitoraka bilaogy hamelatra ambony latabatra io tranga io sy ny sehatry ny fampahalalam-baovao eo Ejipta.
Jordania: Ho any Palestina, Mitondra Fitiavana
Tamin'ity herinandro ity ireo mpitoraka bilaogy ao Jordania, izay ny ankamaroany dia manana razambe Palestiniana, dia nanoratra betsaka mikasika ny olana mianjady amin'ny Lafintany Andrefana (Cisjordanie) sy ny Afovoany-Atsinanana.
Brezila: Mizotra ho amin'ny fihodinana faharoa ny fifidianana izay ho filoham-pirenena, miditra an-tsehatra ny media sosialy
Ny fiakarana tampoka tao anatin'ny minitra fohy azon'i Marina Silva, mpirotsaka avy amin'ny Antoko Maitso dia nitondra ny fifidianana izay ho filoham-pirenena Breziliana ho any amin'ny fihodinana faharoa [pt] miaraka amin'i Dilma Rousseff, ilay efa noeritreretin'ny maro ho mpandimby tsy misy ady hevitra an'i Luiz Inácio Lula da Silva, ary kely foana no tsy nahalasa azy[pt] ho ny vehivavy voalohany nitondra ny firenena.
Fahabangan'ny fahaiza-mitarika ao Nepal: Tsy mbola tsinjo izay ho fiafaràny
Ny zoma lasa teo (1 Oktobra 2010) dia nandamoaka ny andrana fahasivy nataon'ny parlemanta ao Nepal ho fifidianana izay ho Praiòinistra. Vao mainka mampitarazoka ny olana politika lalovan'ny firenena izany, izay nanomboka tamin'ny fametraham-pialàn'ny Praiministra Madhav Kumar Nepal tamin'ny 30 Jona.