Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

avylavitra

imailaka avylavitra

Lahatsoratra farany an'i avylavitra

Maraoka : Sida, vola, kilalaom-pilàna ara-nofo

Raha tsy hilaza ireo fanafarana manokana atao amina namana iray hivahiny any Eoropa, ary hitondra miverina miaraka aminy kilalaom-betaveta iray any anaty akanjony, dia misy tena tambajotra, miafinafina tanteraka sy tsara lamina, izay miandraikitra ny fivarotana ireny kilalao ireny ho an'ny olondehibe.

Ejipta: Antsafa natao tamin'ilay mpanao herisetra amin'ny “Baha'is”

Tsy nahagaga ahy ireo teny nambaran'i Mohamed; efa im-betsaka aho no nandre momba ireo Kristiana, Jiosy, pelaka sy "Ny Hafa" teto amin'ity planeta ity ; Ilay "Hafa' no tondroina mandrakariva ho tsy mpino ... ahilika...ankahalaina... [...] inona no hoavin'ny firenena iray izay ny ankamaroan'ny mponina ao aminy no manda tsy...

Mampihomehy an'izao tontolo izao ilay fandefasana ny matson'ireo voron-drano ‘penguins” ao Aostralia

"Hasambarana ny #MatsoPenguin isanandro ao amin'ny @PhillipIslandNP! Ahoana no tsy hampihomehy anao ireto panguins kely ireto? "

Qatar : Takaro ry zareo lehilahy Qatari

Betsaka ireo mpila ravinahitra no manana hevidiso momba ireo lehilahy ao Qatar. Heverin-dry zareo izy ireny fa sarotra atonina, tsy tia miresaka na misokatra amin'ny finamànana, ary tsy misy resaka mihitsy raha izay fifandraisana sôsialy, ho azy ireny

Rehefa vokatra mitovy no navoakan'ireo famerenana nanisa, nanao fianianana ny governemanta tao Trinidad & Tobago

Rehefa naverina nisaina saingy tsy nanovana akory ny vokatra tany aloha, dia nanao fianianana handray ny biraony mandritra ny fepotoana manaraka indray ny governemanta efa teo

Costa Rica : Fampirantiana seza, afisy, jiro

Nosafidian'ilay fampirantiana ny hampiseho ireo zavatra ampiasaina amin'ny fiainana andavanandro. Ho an'i Juli Capella (mpiandraikitra ao amin'ilay fampirantiana), afaka mitaky ny hampifanarahana ny fampiasàna ny fanomezana endrika (design) hifanaraka amin'ny maha-olona sy ny ara-tsosialy ireo zavatra ireo

Sary avy ao Kiobà mandritra ny fihibohana

Tantarain'ireo Kiobàna amin'ny alàlan'ny sary ny fihibohana nataony.

Haïti, mitombo ny fiampangàna ny governemantan'i Jovenel Moïse ho mifandray tendro amin'ireo mpanomana heloka bevava

"[...] andian-tafika mpandeha an-tongotra tsy mivadi-belirano no ijeren'ny governemantan'i Moïse azy ireo, izay mamoritra ny tsy fandriampahalemana, manakenda ireo feo mpanohitra ary manamafy ny fanohanana ara-pôlitika manerana ny renivohitra."

Moldavia : Ny fiantraikan'ny Twitter tamin'ireo fihetsiketsehana

Tena tsara mihitsy ny hoe tsy ny tambajotra sôsialy Friendster na LiveJournal (izay mbola mijanona ho ny sehatra fanoratana bilaogy ankafizin'ny ankamaroan'ireo mpampiasa aterineto any Eoropa atsinanana) no nampiasain'ireo Môldavy mpianatra niketrehana ity revôlisiôna ity.

Fanontaniana & Valiny: Fantaro i Noor Pamiri, mpikatroka ho an'ny fiteny Wakhi

Fantaro i Noor Pamiri, hampiantrano ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline ny 26 Aogositra hatramin'ny 01 Septambra 2020. Hozarainy amintsika ny asa ataony ho an'ny fiteny Wakhi, tenenina any amina firenena efatra, isan'izany i Pakistàna.