admin · Marsa, 2019

Lahatsoratra farany an'i admin tamin'ny Marsa, 2019

Iran:”Bilaogera iray hafa voasambotra”

GV Mpisolovava  08 Marsa 2019

Nitatitra [fa] ny Hrna, sampam-baovao mpikatroka ny zon'olombelona fa nosamborina andro vitsy lasa izay i Ali Pour Soleiman, bilaogera sady mpampianatra ao Iran. Mpikambana ao amin'ny Fikambanan'ny mpampianatra izy ary nanoratra tao amin'ny bilaogy Sokhane Molem (midika hoe tenin'ny mpampianatra).

Iran: Mpitondra fivavahana mitokona tsy hihinan-kanina

GV Mpisolovava  07 Marsa 2019

Nanomboka ny fitokonany tsy hihinan-kanina tamin'ny alatsinainy i Mohammad Sadegh Honarvar Shojayi, bilaogera sady mpitondra fivavahana. Nosamborin'ny fampanoavana izy noho ny fiampangana azy ho mitarika tafatafa miaraka amin'ny tranonkala reformista Kalameh.

Iran: Mety hiatrika sazy ho faty ilay bilaogera

GV Mpisolovava  04 Marsa 2019

 Nitatitra [fa] ireo bilaogera sy tranonkala maromaro fa mety hiatrika fiampangana "fihantsiana ady amin'Andriamanitra" i Mohammad Reza Pour Shajari, bilaogera any am-ponja. Azo tononina ho azy ny sazy ho faty amin'izany tranga izany. Nitsikera ny Islamo sy ny Repoblika Islamika tao amin'ny bilaoginy, Iran Land's Report izy.