admin · Febroary, 2019

Lahatsoratra farany an'i admin tamin'ny Febroary, 2019

Iran: Bilaogera voasazy higadra

GV Mpisolovava  18 Febroary 2019

Nitatitra ireo tranonkalam-baovao Iraniana maromaro, tahaka ny Amir Kabir [fa], tranonkalan'ny mpianatra fa voasazy higadra 36 volana an-tranomaizina i Omid Reza MirSyafi, Iraniana bilaogera sady mpanao gazety. Voampanga ho nanevateva ireo mpitondra fivavahana Iraniana sy nanao fampielezan-kevitra manohitra ny Repoblika Islamika izy.

Shina: Mandeha dia mikatona ny Youtube

GV Mpisolovava  11 Febroary 2019

Voalaza fa nikatona nandritra ny roa andro (4-5 Marsa) ny Youtube tao Shina. Araka ny filazan'i William Long, tsy tafiditra tao amin'ny tranonkala youtube ny mpiserasera nanomboka ny 4 Marsa tamin'ny 8 hariva. Niverina ny tranonkala ny sasakalin'ny 5 Marsa, saingy araka ny filazan'i Shizhao (tao amin'ny twitter), naharitra 10 minitra ihany no fahazoana niditra tamin'izany.

Shina: Fanesorana ireo vondrona antserasera (E-group) ao amin'ny Douban.com

GV Mpisolovava  06 Febroary 2019

Voatery nanakatona ny sasany tamin'ireo vondrona antseraserany ny Douban.com,  iray amin'ireo tranonkala Web 2.0 malaza indrindra ao Shina noho ny fanentanana manohitra ny Smuts vao haingana. Na dia izany aza, ara-tsosialy sy ara-politika amin'ny endriny fa tsy baranahiny na tsy mendrika ny ankamaroan'ireo vondrona antserasera nofafana.

Shina: Nividy ny tolotra Green Dam ny Google.cn?

GV Mpisolovava  06 Febroary 2019

Nitatitra ilay bilaogera mandihy miaraka amin'ny G, nanonona loharanom-baovao avy amin'ny Google.cn fa nandany vola be tsy toko tsy forohana hividianana ny tolotra Green Dam ny orinasa mba hanatsarana ny fikarohana votoaty vetaveta. Araka ny filazan'ilay bilaogera, ny fanapahan-kevitry ny google.cn dia ny hanao fihavanana amin'ny manampahefana shinoa.

Shina: Nahazo onitra ireo mpiserasera nogadraina 150 andro

GV Mpisolovava  02 Febroary 2019

Nilaza ny vaovao Xinhua tamin'ny 31 aogositra fa nahazo onitra 16 arivo RMB (manodidina ny 2.200 dolara) i Duan noho ny fitazonana azy naharitra 150 andro. Ny mpiraki-kevitry ny vahoaka nandoa (11.798 yuan) ary ny polisy eo an-toerana nandoa (5.000 yuan).

Nakaton'i Syria indray ny Facebook

GV Mpisolovava  01 Febroary 2019

Araka ny filazan'ny Al Quds Al Arabi, mikasa ny hamerina indray ny fandraràna ny Facebook i Syria taorian'ny fandraràna voalohany ny tranonkala tambajotra sosialy tamin'ny volana Novambra 2007. Nilatsaka taorian'ny Facebook namela ireo mponina ao Golan Heights hanamarika ny firenen'izy ireo ho Isiraely izany.