admin · Oktobra, 2018

Lahatsoratra farany an'i admin tamin'ny Oktobra, 2018

Tafatafa iarahana amin'i Haitham Sabbah

Noresadresahan'ilay mpanao gazety Italiana, Paola Caridi, manoratra ho an'ny masoivohom-baovao, Lettera22 vao haingana ny tonian-dahatsoratra namantsika avy any Afovoany Atsinanana/Afrika Avaratra Haitham Sabbah. Mifantoka amin'ny fanontaniana sasantsasany ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Afovoany Atsinanana ny resak'izy ireo.

Rosia: “Ny diabe, karazana..”

Tokony hanao fihetsiketseham-panoherana tamin'ny 6 May tao Moskoa ny mpanohitra Rosiana, ny hariva ny fanokanana an'i Dmitry Medvedev ho solon'ny filoha Vladimir Putin, saingy tsy nanome alalana izany ny manampahefana ao an-tanàna - ka nofoanan'ny fikambanamben'ny mpanohitra, Other Russia ny Diaben'ny Mpanohitra tamin'ny minitra farany.

SIDA 2008: Miady amin'ny SIDA sy miady amin'ny fankahalana pelaka

  08 Oktobra 2018

Raha vao tapitra ny Fihaonambe Iraisam-pirenena XVII momba ny SIDA natao tao an-tanànan'i Mexico City,  iray tamin'ireo olana goavana noresahan'ireo mpandray anjara ny tsy fahombiazan'ny iraisam-pirenena amin'ny fiatrehana ny  VIH / SIDA eo amin'ny lehilahy izay manao firaisana amin'ny lehilahy hafa, izay matetika antsoina hoe MSM.