Lahatsoratra farany an'i admin tamin'ny Septambra, 2018
Armenia: Tsingerintaona faha-21 ny horohorontany 1988
Nanamarika ny faha-21 taonan'ny horohorontany tamin'ny taona 1988 izay nandravarava faritra maro tany avaratr'i Armenia ny Alatsinainy teo, horohorontany izay nahafatesana olona 25 000 ary tsy manan-kialofana marobe.
Nahandron'i Amerika Atsimo vitsivitsy
Karaza-nahandro dimy avy any Amerika Latina atolotra anareo anio, na dia hovakiana fotsiny aza...
Armenia: Eurovision be fanantenana
Na dia heverin'ny ankamaroan'ny mpijery any Eorôpa fa vazivazy aza, dia tsy misy isalasalana fa ny fifaninanan-kira iraisam-pirenena Eurovision dia raisina am-pahamatorana tanteraka ao atsimon'i Kaokazy izany. Raisina ho ny fotoana tsara indrindra hanehoana ny kolotsain'ny firenena sy ny maha-izy azy,
Miresaka momba ny fandrosoana ao Sierra Leone ireo mpianatra TBCS
Misy tetikasa iray mikasa hanampy amin'ny fanarenana indray an'i Sierra Leone taorian'ny ady an-trano amin'ny alalan'ny fanomezana fiofanana ho an'ireo tanora napetraka tany amin'ny (sekoly) fianarana asa mandray karama nataon'ireo fikambanana tsy mitady tombontsoa ao an-toerana mba hahafahan'ireo tanora mahazo fizaran'asa sy mandray anjara amin'ny tetikasa fampandrosoana.
Dian'ireo mpanivana: Manao famoretana amin'ny fahalalaham-pitenenana i Frantsa, Torkia sy Shina
Tapa-bolana lasa izay, nampitandrina ny amin'izay antsoiny hoe "fampanjakana miandalana ny Berlusconi eo amin'ny media Frantsay sy ny loza mitatao manoloana ny fipoiran'i Nicolas Sarkozy, minisitry ny atitany Frantsay sady filohan'ny antoko mpandala ny nentin-drazana amin'ny fahalalaham-pitenenana ao amin'ny firenena ny blaogy Frantsay AgoraVox, iray amin'ireo bilaogy mediam-bahoaka Eoropeana malaza.
Rakotra marijuana ny lalana mankany amin'ny fahaleovantena
Tsara toerana ny governemantan'i Trinidad sy Tobago mba hitrandraka ny fahaiza-manaony lehibe ara-teknika sy ara- fotodrafitrasa ao amin'ity firenena mpamokatra solika sy etona ity mba ho lasa mpitarika sy mpiantsehatra goavana eo amin'ny indostrian'ny cannabis sy ny rongony manerana ny CARICOM
Kyrgyzstan: Fihetsiketsehana tahaka ny isan-taona
Na dia eo aza ny fitomboana ara-toekarena, ny ady amin'ny kolikoly sy ireo fampanantenana maro hafa mbola tsy notanterahan'ny mpandimby an'i Akaev, Kurmanbek Bakiyev, matetika miaina fihetsiketsehana ara-politika ataon'ny mpanohitra ny firenena
Torkia am-pitendrena milina: Ny vono olona tao Malatya
Olon-doza vitsivitsy no nankany amin'ny mpanonta baiboly ao an-tanànan'i Malatya, Torkia indray andro. Nahita olona telo tsy manan-tsiny izy ireo: misiônera Kristiana roa sy mpiasa iray. Nofatoran'ireo olon-dratsy ny tanana sy ny tongotr'ireo olona telo ireo no sady nampijaliana, ary avy eo notapahana ny tenda.
Rosia: Anarana mitovy
Raha niala tamin'ny tantara an-tsehatra sy ny vazivazy ara-politika Okrainiana, ity misy tantara mampihomehy ihany momba ny anarana mitovy, navoakan'ilay Tsetsenina mpanao gazety Timur Aliev
Ny herinandro tao amin'ny bilaogy Boliviana
Araka ny voalazan'ny Fitsarana nasionaly misahana ny fifidianana, ny fanisam-bato tamin'ny fifidianana sy ny fitsapa-kevi-bahoaka tamin'ny 2 Jolay no haingana indrindra teo amin'ny tantara.