admin · Aogositra, 2018

Lahatsoratra farany an'i admin tamin'ny Aogositra, 2018

Masoarabo: Manohitra ny fomba Saodiana

Tamin'ny fankalazana iraisampirenena ny Andron'ny Vehivavy, naka lahatsary fitondrana fiara tao amin'ny faritra ambanivohitr'i Arabia Saodita ilay mpikatroka Saodiana Wajiha Huwaidar, mba hisarihana ny saina manoloana ny manjo ireo vehivavy Saodiana, izay voaràra tsy hitondra fiara, ary nandefa izany tao amin'ny YouTube.

Ny tosika ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Saodiana

Navotsotra i Mohsen Al-Awaji rehefa nogadraina nandritra ny 11 andro, ary mieritreritra i Aya fa ity hetsika nataon'ny governemanta ity dia lesona azo tsoahina ho an'ny Saodiana: "Sahy manakiana ny governemanta ve ianao satria afaka manao izany amin'ny fotoana rehetra, sa esorina aminao ny fahafahanao sy ny fahamendrehanao. "

Shina: Miloa-bava ireo mpisera MSN voakatona

  15 Aogositra 2018

Niharatsy hatrany ho an'ireo mpisera any Shina ny tolotra MSN satria nanova ny kaonty Passport ho Live.com ny Microsoft vao haingana. Taorian'ny nanoratan'i Frank Dai, bilaogera ao amin'ny Global Voices Online lahatsoratra momba io olana io, tapa-bolana lasa izay, nanomboka nampiaka-peo ireo mpampiasa MSN Messenger, Hotmail sy MSN Spaces.

Rayones avy amin'i Jorge Jurado

Rising Voices  02 Aogositra 2018

Fandrobana na endrika ara-dalàna fanehoana ara-kolontsaina? Milaza zavatra bebe kokoa amintsika momba ny fiarahamonina iainantsika ve ny manamarika endrika fampitana hita maso na ny fanoratana amin'ny rindrina? Jorge Jurado mandinika ny maha zava-dehibe sy ny fahazotoana ambadiky ny teny amin'ny rindrina ao La Loma, Medellin, Kolombia.

Lahatsary fampahafantarana ny “fampiatoana ny ady ao Liberia”

Rising Voices  02 Aogositra 2018

Eo andrefan'i Côte d'Ivoire no misy an'i Liberia sy ny mponiny eo amin'ny 3,5 tapitrisa eo ho eo. Naorin'ireo andevo afaka avy any Etazonia tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-19, tafiditra tao anatin'ny ady an-trano naharitra 14 taona sy ny tsy fisian-dalàna i Liberia ary nifarana tamin'ny faran'ny taona 2003 teo anatrehan'ny ECOWAS (CEDEAO) sy ny Firenena Mikambana izany ady an-trano izany.