Lahatsoratra farany an'i admin tamin'ny Jolay, 2018
Tafatafa amin'i Kosoof, Bilaogeran-tsary Iraniana malaza
Bilaogeran-tsary malaza i Arash Ashoorinia izay efa nahazo ny loka Reporters Without Borders tamin'ny fifaninanana BOBs (Bilaogy Tsara Indrindra) nokarakarain'ny Deutsche Welle fampielezan-tsary Alemàna ny bilaoginy, Kosoof. Nanana fahafahana nitafatafa tamin'i Arash i Hamid Tehrani ato amin'ny Global Voices.
Manampahefana Iraniana misambotra ‘olo-malaza amin'ny Instagram’, mba hanamafisana ny fifehezana ny media sosialy

Raha nosamborina tamin'ny May 2018 ireo Iraniana mpisera Instagram malaza Maedeh Hojabri, Elnar Ghasemi, Shadab Shakib ary Kami Yousefi, nanambara dingana vaovao amin'ny ezaky ny fanjakana hifehy ny fanehoan-kevitra ao amin'ny Instagram izany.
Te ho maritiora ve sa tsia
Ao Iran, misy olona milaza ny tenany ho te-ho martiora ary manao hetsika ao an-tanàna mba haneho ny fahavononany ho faty ho an'ny Repoblika Islamika. Herinandro vitsy lasa izay, nanasa bilaogera maromaro manana fomba fijery samihafa mba hizara ny hevitr'izy ireo momba ireo te-ho maritiora i Mohammad Masih.
Maraoka: Ny Fetiben'ny hira masina manerantany ao Fez
Satria efa akaiky ny Fetiben'ny Mozika Masina Manerantany faha-14 fanao isan-taona ao Fez - mizara ny zava-niainan'izy ireo tamin'ny fetibe tamin'ity taona ity ireo bilaogera Maraokana ao an-toerana sy ireo mpandehandeha.
Mitendry i Torkia….ny fifaninanan-kira Eurovision
Na dia mbola misy aza ny hetsi-panoherana ny filoham-pirenena manerana an'i Torkia, dia nieritreritra aho fa amin'ny lahatsoratra amin'ity herinandro, mety tsy hitovy hevitra amin'ny vinavina somary lehibe kokoa sy mampiala voly eo amin'ny kolontsaina Tiorka isika .... ny Fifaninanan-kira Eurovision!
Bilaogin-tsakafo: Pata de Cerdo avy eo Espaina, Katsu Kisoa avy ao Japana ary Kisoa nendasina miaraka amin'ny Cincaluk avy ao Malezia
Bilaogin-tsakafo mifantoka amin'ny fampiasana kisoa ho an'ireo endrika nahandro matsiro samihafa manerantany.
Volana maro taorian'ny faharavàna nateraky ny Rivo-doza Maria, manao fanentanana fambolena hazo fihinam-boa i Dominika, saingy ampy ve izany?
Tsy afaka mividy zezika sy vokatra simika hikarakarana ny toeram-pambolenay ireo tanora tantsaha ary koa aza ny sasany amin'ireo efa tranainy. Nahoana ny tantsaha no tsy afaka karakaraina tsara kokoa ao amin'ity firenena kely ity?
Taiwan: Mihetsika ny bilaogera mba hanavotra ny toeram-pitsaboana Lo-Sheng
Nahita polisy nitaritarika lahy antitra izay tena efa antitra tsy afaka nanohitra aho, ary avy eo nianjera ny tongony efa artifisialy. Niantsoantso ny mpianatra iray mba hangataka amin'ny polisy tsy hampiasa herisetra, saingy inona no valin'izany? Fanafihana sahisahy, hatrany hatrany.
Mampiantrano ny diabem-pireharehan'ny pelaka voalohany ny vondrom-piarahamonina LGBT ao Goyana
#Guyana no firenena tokana Amerikana iray izay mbola tsy ara-dalàna ny fahapelahana. Vao avy nanatontosa ny diabem-pireharehany voalohany ny LGBT. Aleo antenaina fa ny tsy fanamelohana no ho avy manaraka
Ilaina ve ny GCE O’ Levels anglisy sa tsia? Inona no olana?
Ny herinandro lasa teo, namoaka taratasy tao amin'ny pejiny Fanehoan-kevitra ny taratasy iray tao amin'ny Borneo Bulletin, gazety tokana amin'ny teny Anglisy ao amin'ny firenena, izay mitaky amin'ny governemanta Broneiana mba hanafoana ny fanadinana GCE O' Levels anglisy hosoloina amin'ny taratasim-panadinana "namboarina ao an-toerana".