admin · Jona, 2018

Lahatsoratra farany an'i admin tamin'ny Jona, 2018

Maraoka: Ireo Arabo mpiangaly Rock

Araka ny mahazatra isan-taona rehefa amin'ny fotoana tahaka izao ao Maraoka, andianà fety sy hetsika ara-kolontsaina no manamarika ny fanombohan'ny fahatongavan'ny asara (andro mafana). Fivoriana fanao isan-taona izy ireo, izay manintona mpanakanto miha-maro hatrany, eo an-toerana sy avy any ivelany ihany koa.

Tonizia: Famelezana ny fahalalaham-pitenenana

Nogiazana noho ny didim-pitsarana ny gazety Toniziana mpivoaka isan-kerinandro "Attariq Al-Jadid" noho ny fanitsakitsahana ny fehezan-dalàna mifehy ny gazety, araka ny fantatra tamin'ny loharanom-baovaon'ny fanjakana. Avy amin'ny baiko "araka ny andininy faha-63 sy 73 amin'ny Fehezandalàna mifehy ny gazety" ny fanagiazana, araka ny filazana navoakan'ny sampan-draharaham-panjakana TAP.