admin · Marsa, 2018

Lahatsoratra farany an'i admin tamin'ny Marsa, 2018

India: Tsy Fitafin'ny Mpampihorohoro Ny Sari

  20 Marsa 2018

Nesorina teo amin'ny tsipi-piarovana ao amin'ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenen'i Jackson-Evers tany Mississippi, Etazonia ny ambasadaoro Indiana any Etazonia Meera Shankar, ary noteren'ny Fitantanam-Piarovana Ny Fitaterana (Transport Security Administration) (TSA) hanaovana fisavana ny vatany.

Korea: Ireo Koreanina Mpianatra Any Etazonia

  19 Marsa 2018

Izao ny zavatra tena manan-danja indrindra: tokony hiova ilay toetra tia mifikitra loatra amin'ny teny Anglisy. Andao ho sarihana ho aty Korea ireo mpianatra ireo, tokony ho ataontsika tsy afa-miala amin'ny asa fanompoana firenena izy ireo ary homentsika diplaoma ahafahany mampianatra

Kyrgyzstan: Oniversite Sangany, Ivon'ny Adihevitrin'ny Parlemanta.

  18 Marsa 2018

"Afaka manome antoka ny mpamaky aho fa avy amin'ny kilasy sosialy antonony ny ankamaroan'ny mpianatra, maro amin'izy ireo no maazo fanampiana ara-bola mba handoavana ireo saram-pianarana. Mihevitra aho fa tokony hikarakara ireo olana goavan'ny firenena manontolo ny solombavambahoakantsika, fa tsy mandany fotoana betsaka amin'ny fampivoarana ivon-toerana..."

Japàna: Topimaso Amin'i Yasukuni, Ilay Sarimihetsika.

  14 Marsa 2018

Nahatonga adihevitra ny sarimihetsika fanadihadiana iray naha-be resaka momba ilay fasan'i Yasukuni, notontosain'ny Shinoa iray mpanatontosa sarimihetsika tamin'ny alalan'ny famatsiambola nomen'ny masoivohom-panjakana Japoney, taorian'ny nikarakaran'ny vondrona iray eo amin'ny fitondrana, ny LDP, ny fandefasana izany mba hitsarana ny "tsy fiandaniany". Nanolotra fomba fijery samihafa momba ilay toe-draharaha sy ilay hevitry ny governemantan'izy ireo izay lazain'ny sasany fa sarimihetsika "politika" ireo blaogera.