Lahatsoratra farany an'i admin tamin'ny Febroary, 2018
Kolombia: Fanehoan-kevitra Tao Amin'ny Twitter Taorian'ny Fivorian'ny FFA Manokana Momba an'i Venezoela sy Kolombia
Noresahana manokana tamin'ny fivoriana tao amin'ny Fikambanan'ny Fanjakana Amerikana (FFA) ny olan'i Kolombia sy Venezoela, ka naneho ny fomba fijerin' izy ireo tamin'izany ireo ambasadera avy amin'ireo firenena roa tonta.
Colombia: Mahavita Lahatsary Iray Isan'andro Ireo Bilaogeran-dahatsary Tamin'ny Taona 2010
Tamin'ny faran'ny taona 2009, nisy hetsika iray mahaliana tao Kolombia, raha nanolo-kevitra i Juan Falla, bilaogera mpamoaka horonantsary fa mamorona lahatsary iray isan'andro mandritra ny taona 2010 ireo mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina bilaogin-dahatsary.
Kolombia: “Ojo al Sancocho” Fetiben'ny Horonantsarin'ny Vondrom-piarahamonina
Nokarakarain'ny orinasa Sueños Film Colombia (Filma Nofinofy) ny Fetibe Iraisam-pirenen'ny Filma sy Lahatsary Hafa an'ny Vondrom-piarahamonina antsoina hoe "Ojo al Sancocho [es]" ary natao tamin'ny 18-25 Septambra 2009 tao Ciudad Bolívar
Lalàna Vaovao Ao Macao Momba Ny Fiarovana an-Tserasera, Ahoana Ny Ho Fiantraikany Amin’ny Fahalalahana Maneho Hevitra?

Nantsoin'ny ny Fikambanan’ireo Mpiasam-Mpanjakana ao Macao (MCSA) ho "tsy ara-drariny, miangatra, ary tsy ara-dalàna" ilay volavolan-dalàna natao hanaraha-maso amin'ny alalan'ny rafitra 'binary' ireo angon-drakitra ety anaty serasera
Kolombia: Miaro Ny Kolontsaina Afro-Kolombiana Ao San Basilio de Palenque
Miasa amin'ny fitehirizana ny lovan-kolontsain'izy ireo, ary koa ny fiteny Palenquero, fiteny Kreola Espaniola izay tombanana ampiasain'ny olona miisa 2.500 eo ny taranak'ireo andevo Afrikana ankehitriny ao San Basilio de Palenque, avaratr'i Kolombia.
Maninona No Hiandry? Voatondron'ny FWikipedia sy Google Tsy Nahy ho Mpandresy ny Fifidianana Filoham-Pirenena Amin'ny Volana Martsa 2018 i Poutine.

Tsy hay na natao ho toy ny hanihany ilay hadisoana, na toy ny hetsika ara-politika.
Nanomboka Tambajotra Ho Fiarovana an-Tserasera Ho An'ny Mpanao Gazety ny (DRF) Fikambanana Momba ny Zo Nomerika ao Pakistàna.

Ny tambajotra izay tena ahitana sotasota indrindra dia hita hoe ny Facebook ka ny fitarainana dia momba ny kaonty fako, ny fampiasana ireo vaovao amin'ny tsy tokony ho izy, ny imailaka mainty, ireo hafatra tsy iriana sy ireo kaonty na fitaovana voajirika.
Ireo Mpandresy Tamin'ny Loka Bilaogy Afrika Atsimo 2010
Nambara tamin'ny 25 Septambra 2010 tamin'ny lanonana fankalazana isan-taona tao amin'ny hotely One & Only, Cape Town ireo mpandresy tamin'ny Bilaogy Afrika Tatsimo Tsara Indrindra 2010.
10 Taonan'ny Bilaogy: Misy Lanjany Amin'ny Haino Aman-jery Nentim-paharazana Ve Ny Bilaogy?
Raha namaky fanehoan-kevitra momba ny tsingerintaona faha-10 ny bilaogy (anisan'izany ireo navoaka tao amin'ny El País [ES] ao Espaina sy ny Infobae [ES] ao Arzantina), nieritreritra momba ny lahatsoratra navoakan'ny El Comercio ao Ekoadaoro aho.
Jorge Jurado Mi-Rap Momba Ny Median'Olon-tsotra
Iray amin'ireo tanora 20 eo ho eo ao amin'ny vondrom-piarahamonina sarangan'ny mpiasa ao amin'ny manodidina an'i San Javier La Loma izay mandrafitra ny vondrona median'olon-tsotra "ConVerGentes" i Jorge. Mpandravaka sady mpanakanto hip-hop izy, namokatra lahatsary fanadihadiana fohy momba ny kolontsaina graffiti ao Loma sady mibilaogy ny La Voz del Silencio.