Lahatsoratra farany an'i admin tamin'ny Oktobra, 2014
Ny Maso Mibanjina Ny Ho Avin'i Shina, Mihantsy Fisamborana Ireo Avy Ao Amin'ny Tanibe Mba Hanohanana Ny Revolisionan'ny Elo Any Hong Kong.
Farafahakeliny, mpitolo 34 tao Shina no voasambotra. Manantena ny sasany ao amin'ny tanibe Shina fa ny fandresen'ny demokrasia ao Hong Kong dia midika ho fivoaran'ny demokrasia ao an-toerana.
Hetsik'ireo Mpianatra Manohitra Ny Fanadihadiana Ratsy Tantana Ny Fihetraketrahana Ara-nofo Tafahoatra Any Andrefan'i Bengal
Nanao hetsika tampoka sy nahomby ireo mpianatra avy amin'ireo toeram-pianarana hafa sy ireo solontenan'ny vahoaka mba hanehoan'izy ireo ny tsy fankasitrahany tanteraka ny fomba nitantànan'ireo manampahefana ilay tranga-nà fanaovana habibiana farany teo.
Afaka Ho Raràna Tsy Hividy Toaka Ve Ireo Vehivavy Ao Myanmar?
Ny tahan'ny fisotroana toaka ao Myanmar no ambany indrindra any amin'ny faritra Atsimo-Atsinanan'i Azia, maro anefa ny resaka fa miova izany ankehitriny. Voatatitra fa miady hevitra amin'ny fandraràna ireo vehivavy any amin'ny faritra sasany tsy hahazo hividy toaka ireo manampahefana.
“Blog Action Day” Amin'ny 16 Oktobra: Raha Miteny Aho Hoe #TsyFitoviana, Dia Miteny Ianao Hoe…?
Ambarao amin'izao tontolo izao ny dikan'ny tsy fitoviana aminao. Zarao ny tantaranao, zarao ny fomba fijerinao, miadia hevitra ary tohano izany. Ataovy ao amin'ny "Blog Action Day" izany amin'ny Alakamisy 16 Oktobra.
Anton Nossik: Fitsaharan'ny Facebook, Ny Twitter, Ary Ny Google Ao Rosia Atsy ho Atsy
Nanazava ilay manampahaizana momba ny media sady mpikambana mpamorona ny sehatry ny bilaogy Rosiana, Anton Nossik, ny antony ieritreretany fa efa antomotra ny farany ho an'ireo vohikala nampiasain'ny olona an-davitrisany manerana ny tany
Hiady hevitra Momba Ny Lalàna Mandrara Ny Tomboka Vatsa Amin'ny Lamosin'ny Vehivavy Ireo Mpanao Lalàna Rosiana
Tsy zava-baovao any Rosia ny fizahozahoan'ny lehilahy sy ny fankahalàna ny fifankatiavan'olon-droa mitovy fananahana, saingy sarotra ny minia tsy hijery fa miaraka tanteraka amin'ny firehana manohitra ny fiovàna ao amin'ny firenena amin'izao fotoana izao ilay ezaka vaovaon'ny Domà mba hiarovana ireo vehivavy amin'ny tomboka vatsa.
Mampandohalika An'i Jamaika Ilay Otrikaretina Tsikongonià
Miatrika fanairana ara-pahasalamana mampidi-doza i Jamaika, raha manamafy ireo bilaogera fa mety hampiasaina ho fantsona fampitàna vaovao mahomby mba hanabeazana ny vahoaka momba ireo risika ny Mediam-bahoaka.
Hong Kong: Tahotra Ny Hery Famoretana Toy Ny Tany Tiananmen Raha Mitohy Kosa Ny Fihetsiketsehana
Miantso ny lehiben'ny mpanatanteraka ao Hong Kong mba hametra-pialàna ny Occupy Central, raha samy matahotra fidirana an-tsehatry mahery vaika avy amin'i Beijing ireo mpikambana avy amin'ny ankolafy roa, ny mpomba ny governemanta sy ny ankolafy mpanohitra.
Maminaviana ny Hampandroso Ireo Nosy “Goat” I Jamaika Na Dia Eo Aza Ireo Hetsi-panoherana Miaro Ny Tontolo Iainana
Nandefa fangatahana fanaovan-tsonia tany amin'ny UNESCO ireo mpitantana an'i Jamaika, kanefa nitarika famadihana palitao ny fampiasam-bola 1,5 lavitrisa $. Voafatotra amin'ny FMI, mety ho be loatra ny vola ka sarotra ny hamela azy.
Nanaraka ireo Mpifanolo-bodirindrina Aminy Ao Azia Atsimo-Atsinanana Amin’ny Fametrahana Lalàna Hentitra Momba Ny Aterineto i Laôsy.
Mihevitra ny kiana atao amin'ny politikan'ny governemanta ho toy ny asa ratsy ilay lalàna vaovao ary mandrara ny "Fanaparitahana vaovao izay manova ny marina na manimba ny fahamendrehana sy ireo zon'ny tsirairay, ny sehatra maro, ny ivon-toerana samihafa sy ireo fikambanana maro."