admin · Marsa, 2008

Lahatsoratra farany an'i admin tamin'ny Marsa, 2008

  17 Marsa 2008

ramblinglankan mitoraka blaogy amin'ny teny Sinhala any Sri Lanka ary manontany tena raha misy antony izany.

“Isan'ny fombafomba ahiana indrindra any amin'ny faritra afovoany atsinanana ny “fitadiavam-bady”. Tsy mampiahiahy ny mpitady vady lahy sy ny fianakaviany irery ihany. Fa koa hita fa mampietry ny vehivavy izay mihevitra fa manambay vehivavy izy ity” hoy i Qwaider, avy any Jordana.

Fivoriambe Global Voices 2008

  17 Marsa 2008

Faly mampandre ny hisian'ny Fivoriana Global Voices Olon-tsotra Mamita Vaovao 2008 ny Global Voices sy Global Voices Advocacy, ho atao any Budapest, Ongaria ny 27-28 Jiona 2008, miaraka amin'ny fanampian'ny McCormick Tribune Foundation, Berkman Center for Internet and Society ary MediaHungaria. Ity fihetsiketsehana ity dia hampivory ny mpikambana ao amin'ny...

Tajikistan : Ny hanoanana indray no hisolo ny hatsiaka sy ny haizina

  14 Marsa 2008

Firenena kely i Tajikistan, fa misedra olana lehibe. Raha mbola sahirana amin'ny tsy fahampian'ny herin'aratra ny mponina, indrindra ireo eny ambanivohitra, dia efa mananontanina azy ireo sahady ny fahasahiranana hafa. Olana ara-tsakafo indray no miandry azy ireo amin'ity. Araka ny notanterin‘ny Neweurasia dia nampanantena ny Barki Tojik – hany mpamokatra...

Ekoatera : Mandrahona ny firenena ny loza voajanahary

  13 Marsa 2008

  Sary nalain'i MennoGuy, arovan'ny Creative Commons Na toa hadinodinon'ny mpanao gazety maro aza ny vokatry ny oram-be tany Ekoatera fa nirona tamin'ny olana diplomatika teo amin'i Colombia sy ny manodidina azy izy ireo, dia mbola maro no mijaly any an-toerana noho ireo loza voajanahary. Io sary eo ambony io...

Ny famorana ve, vaksinin'ny SIDA?

Tao anatin'ny taona vitsivitsy dia nampiseho ny dinika sientifika fa ny lehilahy voafora dia ambany kokoa ny mety hahavoa azy ny virus HIV izay mahatonga ny aretina SIDA. Betsaka ny governemanta afrikana ny mandinika ny famporisihana ny fanaovana didy foitra malalaka miaraka amin'ny fiadiana amin'ny fiparitahan'ny aretina mahazatra. Zied, mpitoraka...

Afrika Atsimo : Horonan-tsary tao Free State mivoy fanavakavaham-bolon-koditra

  10 Marsa 2008

Nafanafana indray nandritra ny folo andro ny fanoherana ny habibiana sy ny fanavakavaham-bolon-koditra ao Afrika Atsimo. Horonan-tsarimihetsika iray mivoy fanavakavaham-bolon-koditra novokarin'ny mpianatra 4 avy ao amin'ny Free State University, maneho mpanadio mihinana sakafo efa namanizan'ny mpianatra iray moa no nitarika ireo hetsika ireo. Hita ao amin'ilay horonan-tsary koa ny fanararaotana...

Bolivia : Fikambanana Twitter

  10 Marsa 2008

Mitombo tsikelikely ny mpampiasa Twitter boliviana, ary nahazo tosika lehibe ry zareo tamin'ny fanamboarana ny pejy TwittBo [es], manantena ny hanome dokam-barotra be be kokoa ity fomba fifandraisana efa be mpakafy ity. Fanampin'izany dia nisy koa Facebook niforona mba hikambanan'ny mpanao twitter boliviana. Roa amin'ny mpamorona, Ricardo Zuna (@masaco) sy...

Afrika : Mpitoraka Blaogy Sary, Blaogy, Sary mihetsika

  07 Marsa 2008

Topazana maso i Afrika amin'ny alalan'ny sary mihetsiky ny gazetin'olontsotra. Hatramin'ny tompon-daka BoB, mpilaza tantara, mpanao sary mihetsika fanadihadiana momba ny mpanakanto, ny indostria mpanao sary mihetsika Nollywood any Nigeria sy ny maro hafa koa. Mahaliana sy vita tsara ny tantara an-tsarin'i Usnico : ny sary iray milaza ny manjo...