Lahatsoratra farany an'i admin
Tanora te-hanampy ireo iharan'ny herisetra an-tokantrano ao Albania amin'ny alàlan'ny fampiharana vao noforoniny
Fampiharana iray mampifandray ireo efa sisampatin'ny herisetra an-tokantrano aminà toeram-pialofana, ny polisy ary ireo vondrona mpanohana.
Toherin'ireo mpikatroka aterineto ao Hong Kong ho toy ny fandrahonana ny fahalalahana antserasera ny fandràran'ny fitsarana ny votoaty ‘mahery sehatra’
Manohitra ny fehezan-dalàna vonjimaika navoakan'ny Fitsarana Avo ireo mpikatroka ho an'ny fahalalahana antserasera any Hong Kong, fehezan-dalàna izay mandràra ny olona handefa sy mamerina mandefa izay vaovao mampiroborobo herisetra, tafiditra amin'izany izay alefa ao amin'ny LIHKG sy Telegram.
Mety hipoaka ao Trinite ny volokanom-potaka: efa niomana ve ny mponina?
Ao Trinite afovoany, vao haingana ny fotaka volkano Piparo no nampiseho famantarana hetsika mitombo, ampy hampisy fivakisana eny amin'ny arabe akaiky. Nisy trano iray manokana niharan'ny fahasimbana ara-drafitra ary nitatitra ireo mponina ao Piparo fa nandre feo mafy sy setroka maimbo solfara amin'ny rivotra.
Rosia: Nisondrotra ny saran'ny fiarakaretsaka ary miseho ny mpisoloky amin'ny hafatra an-tsoratra taorian'ny daroka baomba Moskoa
(2010) Mielipatrana ny fiantraikan'ny daroka baomba tanaty metro vao haingana. Misaona ireo niharam-boina ny vahoaka, mitady valiny amin'ireo fanontaniana maro, mandinika ny ho avin'i Rosia ary maneho fahatezerana amin'ireo ... mpamily fiarakaretsaka sy mpisoloky amin'ny hafatra an-tsoratra izay toa manararaotra ny voina.
Rosia: Hazo Noely adala ao Vladivostok
Tsy afaka mihitsy amin'ny vazivaziny izay manakana azy ireo amin'ny fahaketrahana maharitra ireo mponin'i Vladivostok, tanàna seranan-tsambo Rosiana lehibe indrindra any amin'ny Ranomasimbe Pasifika. Mihomehy amin'ny zava-drehetra izy ireo, na izany fitohanana mahatsiravina, na filatsahan'ny ranomandry manaitra, ny ravaky ny hazo noely na hetra vaovao amin'ireo fiara Japoney nafarana.
Barbadiana sa Jamaikana i Rihanna? Milaza ireo mpisera Twitter Jamaikana fa Jamaikana izy
Eny, avy ao amin'ny nosy Karaiba, Barbados ilay mpihira superstar, Rihanna, saingy nisy fotoana nanontany tena ireo mpisera media sosialy raha tena avy ao Jamaika tokoa izy.
Bilaogera Asongadina: Ahmed Awadalla
Iray amin'ireo nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices ny tetikasa “Exploring Taboos (Firesahana ny Fady)” nokarakarain'ny ekipa Nazra tao Kairo. Ny tanjon'ny tetikasa dia ny hanome toerana azo antoka ho an'ny vehivavy sy ny lehilahy ao Ejypta mba hiresaka momba ny olana tsy firesaka firy.
Nakaton'ny mpandrindra ny fifandraisan-davitra ao Bangladesh ny tranonkalan'ny oniversite mpamoaka injeniera ahitana tatitra fanararaotan'ny mpianatra zokiny
Nandidy ny fanakanana ny pejy an-tseraseran'ny BUET ny Vaomiera Mpandrindra ny Fifandraisan-davitra ao Bangladesh (BTRC), satria nisy ny fitarainana miisa 175 mahery napetrak'ireo mpianatra taloha sy ankehitriny tsy mitonona anarana ao amin'ny oniversite injeniera ambony ao amin'ny firenena.
Abidjan Blog Camps: Maika ny asa fanoratan-gazety mikatsaka tombontsoam-bahoaka ao Afrika
Mihevitra ny mpitsikera sasany fa tokony havoaka ho hitan'ny daholobe amin'ny fomba tsy mitanila ny fanaovan-gazety ary mijanona eo.
Ny Fitetezana ny mozika afrikanina (2006)
Inona ny hip hop Afrikanina? Nahasarika ny sain'ny tanora ny hip hop, izay mamokatra tarika mpanao rap, break dance ary ireo b-boys. Maro no mihevitra fa ny fakany dia miverina any amin'ny vanim-potoanan'ny Mpampita hevitra araka ny fombandrazana afrikanina, ny hafa kosa milaza fa Afrikana-Amerikanina manokana izany.