Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

avylavitra

imailaka avylavitra

Lahatsoratra farany an'i avylavitra

Jona 2020, iray volan'ny #BLM ao Japàna

Ny volana Jona, nitranga tany aminà tanàna isankarazany manerana an'i Japàna ireo famoriambahoaka "Black Lives Matter", tafiditra ho isan'ny fanehoana firaisankina erantany miaraka amin'ireo mpanao hetsipanoherana ao Etazonia sy any amin'ireo firenena hafa.

Antsafa natao tamin'i Alcides Javier Torres Gutt, mpikatroka nomerika ho an'ny fiteny Guaraní

Fantaro misimisy kokoa i Alcides Javier Torres Gutt. Izy no hitantana ny kaonty Twitter @ActLenguas ny 15 hatramin'ny 21 Jona 2020 ary hiresaka momba ny asa ataony ho an'ny fiteny Guaraní

Ahoana ny fomba ataon'ny literatiora nentindrazana Nepaley hametraka marika eo amin'ny sehatra erantany?

Ny talen'ny hetsika Global Literature in Libraries Initiatives (GLLI) no manazava ny fomba afaka ataon'ny literatiora nepaley mba hahazoany olona betsaka kokoa.

Feminista sy mpiaro mpiasa ao Meksika, miatrika andiam-pisamborana sy fampidirana am-ponja

Fandrahonana, fisamborana ary fampidirana am-ponja no nitranga tao anatin'ny 15 andro latsaka.

Ireo tetikasa mitondra zavabaovao ho amin'ny « andavanandro vaovao » ao Ekoatora

Hackathon iray natao tao Ekoatora hitsirihana ireo famoronana ho an'ny fiainana aorian'ny COVID-19. Ireto no tetikasa nisongadina avy tamin'izany.

Fanontaniana&Valiny: Fantaro i Ilham Nurwansah, mpikatroka ho an'ny fiteny Sundanese

Fantaro i Ilham Nurwansah, mpampiantrano ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline ny 24-30 Jona 2020. Hozarainy amintsika ny asa ataony ho an'ny fiteny Sundanese ifampiresahana ao Indonezia.

Fiainana eny amin'ny torapasika: Ny nanovàn'ny COVID-19 ny fizahantany ao amorontsirak'i Albania

Heverin'ny ministera misahana ny fizahantany fa mbola azo avotana ny taompiasana. Somary ho hafa kely aloha ny tsirony.

Hetsipanoherana “Black Lives Matter” tao Trinidad & Tobago nitarika nankany amin'ny resaka foko

Avoitran'ny hetsika "Black Lives Matter" ny fanavakavahana misy ao amin'ilay firenena nosy roa mitambatra

Mialoha ny fifidianana, milaza ho manavotra ny vahoaka hiala amin'ny vahohon'ireo dinôzôro ilay antoko mitàna ny lohany ao Serbia

"Rehefa tsy voaloanao ny hofantrano, ny hany sisa azonao atao dia mamorona milina iray hiverenana ao anatin'ny fotoana, handehanana mihemotra ary handehanana hifidy"

Fihibohana henjana ho an'ny faran'ny herinandro tao Azerbaidjana, taorian'ny fitomboan'ny tranga COVID-19

Arakaraky ny fivoaran'ny valanaretina COVID-19 ao amin'ny firenena ato anatin'ny andro hoavy, mbola azo sainina ny hisian'ny faran'ny herinandro hafa hanaovana fihibohana.