Tsy resy tondromaso ny Global Voices amin'ny famoahana lahasoratra, fandikan-teny sy sary noforonin'olona, ho an'olona, ary antenainay ireo mpandray anjara ato mba hanaja izany fenitra izany.
Satria lasa mahazatra sy maharoboka bebe kokoa ho ao amin'ireo sehatra efa misy sy ireo rafitra iasàna ny fampiasana fitaovana mifahatra amin'ny maodelim-piteny mivelatra (LLMs) toy ny ChatGPT, DeepSeek sy Midjourney ary ireo endrika “IA” hafa mpamorom-botoaty, dia zava-dehibe ho an'ny Global Voices, amin'ny maha-fikambanana fampitam-baovao azy, ny mametraka politika mazava momba ny fampiasana azy ireo ato amin'ny tranokalanay.
Manana antony roa lehibe izahay hamerana ny fampiasana ny LLM amin'ny asanay, ary samy mifamatotra amin'ny iraka fototra iainganay izany:
- Toky. Tsy nokajiana hanara-javamisy ny maodelim-piteny mivelatra. Raha mamoaka torohay azo heverina aza ny môdelim-pahatetehana avoakany indraindray, ary izay moa ny iray amin'ny tanjon'izy ireny, dia maro ireo ohatra amin'ny valinteny diso tanteraka avoakany. Amin'ny maha-fikambanam-baovao manaraka ny fitsipiky ny asa fanaovan-gazety anay, dia miezaka izahay mitatitra ny zava-misy. Mety handika ireo fitsipika ireo, sy hanimba ny fitokisana tadiavinay amin'ny mpamaky ny fiankinana amin'ny LLM hanaovana ny asam-panoratana na fandikana, na ny programa izay mamorona sary na fandravahana mifototra amin'ny famoahana eo noho eo.
- Fampandrenesana ireo feo tsy re. Angon-drakitra efa misy no ampiasain'ny LLM — ohatra, ireo lahatsoratra ankihy nampiofanana azy ireo — mba hanombanana ireo valinteny ho avoakany. Fa mitongilana mankany amin'ireo angon-drakitra malaza vonona anjotra ny valinteny avoakany. Misy fiantraikany ihany zany, rehefa ela ny ela, amin'ny fanosehana ny aterineto hankany amin'ny fitoviandoko sy karazana, ary hanamaivana sy hamafa ireo ivelan'ny vokatra, anisan'izany ireo feo tsy dia re loatra izay atolotry ny fikambanana hampandrenesana ny hafa. Miezaka izahay hamoaka hevitra sy fahalalàna na dia — indrindra indrindra — tsy mifanaraka amin'ny fiteny mahazatra na fomba fisainana mahazatra aza. Zava-dehibe lavitra izany ho anay mihoatra noho izay tsara “maneno” nefa tsy maneho fomba fijery natsangana avy amin'ny niainan'ny olombelona tsirairay.
Ankoatra ireo antony ireo ny zava-dehibe hafa mila fiheverana matotra: ny fiantraikan'ny LLM amin'ny tontolo iainana; ny olana amin'ny zon'ny mpamorona avy amin'ny fanofanana azy ireo sy ny vokatra azony, ary ny fanajana ireo mpanoratra sy mpanao fandravahana sary izay nampiasana tsy nahazoana alalana ny asany; ary ny famafàna ireo olona niasa hanamora ny fizotram-piasany, matetika amin'ny karama ambany sy ao anaty toe-javatra mampahonena.
Fitadiavana fandanjalanjàna
Fantatray fa toa manome fomba tsotra hanoratana, hanaovan-tsary, na handikana lahatsoratra ny LLM, ary mety indrindra ho an'ireo olona manoratra amin'ny fiteny mety ho tsy fiteniny voalohany, na mila manaraka fitsipika tsy mahazatra na fenitra ara-pamoaham-boky. Manaiky ihany koa izahay fa tsy mora ny manavaka ny LLM, sy ireo teknolojia hafa mivondrona eo ambany fanevan'ny “IA”, fa dia taranjan-javatra maro manomboka amin'ny fanaraha-maso ireo tsipelina sy fitsipi-pitenenana ka hatramin'ny famoaham-botoaty eo noho eo, ary matetika izy ireny miaraka amboara amin'ny programa hafa, ka izany no mahasarotra ny miasa feno tsy misy azy ireny.
Ankoatra izany, fantatray fa efa ela ny mpanoratra, ny mpanao fandravahana, ary mpandika teny no nampiasa fitaovana isan-karazany hanohanana ny asany, toy ny rakibolana, rakibolam-boambolana mitovy, torolalana fomba fiasa, tondron-tsary/sary sy izay tsy voatanisa. Misy amin'ireo fampiharana sasany tondroina ho asan'ny “IA” amin'ny fomba mitovy. Mety hitady teny azo avy amin'ny (milina) mpandika anjotra ny mpandika teny fa tsy hikaroka rakibolana; Mety hanao fitsirihana tsipelina ny mpanoratra na hikaroka ireo teny mitovy hevitra.
Na izany aza, tahaka ny tsy hanekenay lahatsoratra nadika avy amin'ny rakipahalalana na Wikipedia (na dia misy teny vitsivitsy novaina aza), na fandikan-teny manolo ny teny tsirairay amin'ny vokatry ny fitadiavana anaty rakibolana, dia tsy ho ekenay ihany koa ny fanoratana, fandikan-teny, na fandravahana izay navoaka ho azy tsy araka ny nàhiny.
Amin'ny maha-fikambanana voatsinjaram-pahefana anay dia tsy maintsy afaka mametraka fitokisana ambony amin'ireo mpandray anjara izahay. Tsy misy teknolojia misy amin'izao fotoana afaka hamantatra amin'ny fomba azo antoka ny fanoratana na fandikan-teny navoakan'ny LLM, na fandravahana navoakany, ary ireo izay milaza ho manao izany dia matetika tratran'ny olana ara-tandrohasina sy ara-tontolo iainana mitovy amin'ny LLM ihany. Izany no ametrahanay mialoha fa hojerena tsara ireo voasoratra, nandika an-tsoratra, na natao fandravahana mampiseho mariky ny fiankinan-doha amin'ireo teknolojia ireo, ka mangataka ny hamerenana ny fanoratana azy, na handà ny famoahana, na hanala tanteraka ny lahatsoratra aza, araka izay mety, raha hitanay fa nampiasaina tamin'ny fomba mifanohitra amin'ny iraka ampanaovina anay ireo fitaovana ireo.
Farany, fantatsika fa miova haingana ny teknolojia; mety mila ovaina koa ity politika ity, ary havaozinay araka izay ilaina izany.