Tantara tamin'ny Jolay, 2024
Raha ny marina dia tsy misy resaka fiarovana eny an'arabe ao anatin'ilay volavolan-dalàna momba ny alika mirenireny ao Tiorkia
Mora kokoa ny mandray ireo olana hita maso sy misarika ny saina, toy ny momba ireo alika mirenireny, fa tsy ireo olana misoko mangina sy saro-takarina, toy ny fiarovana eo amin'ny asa ary ny herisetra mifototra amin'ny maha-lahy na maha-vavy.
Tsy ny filoha ihany no hitondra mandra-maty ao Azerbaijan, fa ny parlemanta koa
Na inona na inona endrika taloha mbola hijanona ao amin'ny parlemanta, na hosoloin'ny zanany, dia tsy hisy akony firy amin'ny hoavin'ny firenena ny vokatry ny latsa-bato parlemantera ho avy
Ny mety sy ny tsy mety amin'ny fampiasam-bola shinoa eo amin'ny sehatry ny fitrandraham-bolamenan'i Tajikistan
Fehezin'i Shina ny maherin'ny 75 isanjaton'ny volamenan'i Tajikistan, mitera-bola goavana ho an'ny governemanta tajik izany fa manimba kosa ny olompirenena sy ny rohivoary.
Taratry ny fisandratan'ny tenisy an-tsezankodiarana ao Afrika Atsimo ny fandresen'i Kgothatso Montjane tao Wimbledon
"Tsy fandresena ho an'ny tena manokana ihany ny fandreseny fa fotoana manan-danja ihany koa ho an'ny tenisy an-tsezankodiarana ao Afrika, manome aingam-panahy ho an'olona tsy tambo isaina miatrika fanamby mitovy aminy ao Afrika Atsimo sy manerana ny kaontinanta amin'ny ankapobeny."
Any Nepal, rehefa mandeha ny yaks, toy izay koa ny kolontsaina
Tsy mitsahatra ny mihena ireo Yaks, izay fahiny dia andrin'ny kolontsain'ireo vondrom-piarahamonina ao Himalaya ao Nepal, noho ny fiovàn'ny fomba fiaina, ny fifindramonin'ny olombelona, ny firaisan'ny mitovy rà, ary ny fiantraikan'ny fiovàn'ny toetrandro
Mpikatroka teratany Montagnard nosamborina tany Thailandy, manohitra ny fandefasana azy any Vietnam
“Ny raharaha Y Quynh Bdap dia maneho mazava tsara ny ezak'ireo manampahefana Vietnamiana hampihatra ny famoretana lava-tanana amin'ireo mpiaro ny zon'olombelona any ivelan'ny sisintaniny manokana.”
Handray anjara amin'ireo Lalao Olaimpika fa amin'ny anaran'ny tenany, tsy miandàny, ny sasany amin'ireo Rosiàna sy Belarosiàna atleta
Tany am-boalohany, fanasàna niisa 36 no voarain'ireo Rosiàna atleta avy amin'ilay kaomity, ary 27 ny an'ireo Belarosiàna atleta. Kanefa, ny sasany tamin'ireo nasaina no nandà avy hatrany na nanaiky aloha dia avy eo nandà indray
Zavamahagaga nabontsina sa fasana? Nahazo eso ny rantin'i Hong Kong
Maro no nilaza fa toy ny vato fasana ilay “Stonehenge nabontsina” miloko fotsy ary toy ny lay maitso ampiasain'ny polisy hanaronana faty aorian'ny lozam-pifamoivoizana ireo “Pyramide nabontsina” mirehitra maitso
Ady amin'ny olontsotra: Fomba fanakendàn'ny fandraràna VPN ataon'ny ‘junta’ amin'ny fifandraisana ao Myanmar
"Tsy tokony hataon'ny olona ho ambanin-javatra ny zavatra ataon'ny fitondràna. Etsy ankilan'izay, tsy tokony ho resin-tahotra amin'ny tsy misy antony ry zareo. Tsy ho vitan'ny fitondràna ny hanara-maso ny zavatra rehetra."
Ny olan'ny “Yan Daudu”: Mamakivaky ny maha-izy ny pelaka pre-islamika any Nizeria maoderina
Ny teny hoe "Yan Daudu", nadika hoe "Zanak'i Daudu", dia manondro lehilahy mitoe-behivavy ao amin'ny Hausa, foko iray any avaratr'i Nizeria.