Tantara tamin'ny Febroary, 2024
Nahoana no miatrika fanamby isan'andro amin'ny fidangan'ny vidim-piainana ny Nizeriana
Ao anatin’izao krizy ara-toekarena miharatsy izao, nitombo nanerana ny firenena ny isan’ny fakana an-keriny takalo vola.
Ho voatarika anatina ady midadasika ve i Libanona?
Satria mihamitombo ny disadisa eo amin'i Hezbollah sy Israely, ny faritra MENA dia eo amoron'ny ady midadasika izay mety handravarava tanteraka ary hisy hahasaringotra lalina an'i Libanona sy ireo firenena manodidina azy.
Fampirantiana iray vaovao any UK mamerina ny lova navelan'ny governora britanika iray mahery setra ; hanaraka izany ve i Trinidad sy Tobago?
Nalàna tamin'ny taona lasa iny ny sarin'i Picton, izay nibahana toerana nisongadina tao amin'ny National Museum Cardiff nandritra ny zato taona mahery, saingy mbola manako ao Trinidad sy Tobago ny anarany.
Fandrika ho an'ny fitondrana Sandinista any Nikaragoa ny vola fisotroan-dronono
Tsy dia miraharaha loatra ny fahanteran'ireo mpanao fihetsiketsehana ny fitondrana Sandinista raha ny mahakasika ny fanagadrana azy ireny, ka nitarika ny ampolony tamin'izy ireny niafara tany amin'ny fonjan'i Nikaragoa ho toy ny gadra politika.
Nofoanan'ny Fitsarana Tampony ao Però ny fizotram-pitsarana fanamombàna ankaterena nandritra ny fitondran'i Fujimori
Tonga izao fanapahan-kevitry ny Fitsarana Tampony izao vokatry ny fitorian'ny minisitry ny fahasalamana teo aloha nandritra ny governemanta Fujimori, mba tsy hitsarana azy amin'ity raharaha ity.
Ao Azerbaijan, avo be foana ny tsatokazo ho an'ireo mpikatroka ara-pôlitika
Tamin'ny 23 Desambra, herinandro vitsivitsy taorian'ny fanambaràna sehatra iray fitrakotrahana ara-tsosialy dia tsy hita ny mpanorina azy, Aliyev.
Fitantarana mampihoro-koditra tao anaty fanadihadiana vaovao nataon'ireo sisa velona tamin'ny famoretana tao Ozbekistan
Ity no iray amin'ireo andrana voalohany milaza ny tantaran'olona maherin'ny 18.000 izay nogadraina noho ny fiampangana namboarimboarina sy nofaritan’ny governemantan'i Karimov tao Ozbekistan hoe “ekstremista”.
Nalaza haingana tao Indonezia ny fitahiry ‘Dirty Vote’ milaza halabatom-pifidianana
Nolazain'ny fanadihadiana fa nampiasa ny toerany ny filoha Indonezia ankehitriny, Joko Widodo (nanana anaram-bositra hoe "Jokowi") hanohanana ny firotsahan'ny minisitry ny fiarovana, Prabowo Subianto, izay niteraka ahiahy tsy tambo isaina momba ny zon'olombelona.
Mandefa fanampiana na miresaka amin'ny fianakavianao: Zava-tsarotra ho an'ireo Yemenita-Kanadiàna
Nasian'ireo manampahefana ao Yemen teritery ny sasany amin'ireo zavatra azo ampiasaina ao amin'ny WhatsApp, isan'izany ny fahafahana miantso miresaka amin'ny feo.
Global Voices, mitady Tale hisahana Fitantanana sy Fampandehanan-dRaharaha
Ny Tale hisahana Fitantanana sy Fampandehanan-dRaharaha dia hanara-maso ny fampandehanana tsara ny fikambanana, ireo fitantanana misy ambana ara-bola, mikarakara ny rafitra ara-bola, ary hanohana ireo tetikasa mba hahavaly ireo zava-takiana ara-teknikan'ny fanohanana ara-bola ary ny fifanarahana asa.