Tantara tamin'ny Jona, 2023
Sambany ho an'i Jamaika, voafantina amin'ny lokan'ny tantara fohy Commonwealth 2023 sokajy rehetra i Kwame McPherson
Ny tantarany, "Ocoee," dia mifototra amin'ny zava-nitranga ara-tantara, naka ny anarany avy amin'ny tanànan'i Florida izay toerana nisy ny fanafihana ara-poko nahatsiravina tamin'ny 1920.
Vondrom-piarahamonina LGBTQ+ ao Sri Lanka, mikarakara hetsika Pride (Fireharehàna) hitakiana ny fampitsaharana ny fanavakavahana
Nikarakara andiana hetsika Pride mavitrika sy manome herymba hiarovana ny fimirana sy hitakiana ny fampitsaharana ny fanavakavahana ny fiarahamonim-pirenena sy ireo mpikatroka LGBTQ+.
Milaza ireo mpikatroka feminista any Azerbaïdjan fa tsy fotoana fankalaza izao
Farafahakeliny mpikatroka politika folo no nandao ny tranon'ny masoivoho taorian'ny fanesorana ireo mpikatroka feminista sy an'i Hasanli.
Voamariky ny fanagadrana sy herisetran'ny polisy ny Reharehan'ny Trans ao Istanbul
Noraràn'ny manampahefana ao an-toerana ny hetsika rehetra mifandraika amin'ny FIREHAREHANA mandritra ny volana, anisan'izany ny fandefasana sarimihetsika sy ny hetsika fisotroana dite.
Ampirisihan'ny mpikatroky ny vondrona mpiaro ny zo ankihy ny goavan'ny teknolojia hiaro tena amin'ny baikon'i Hong Kong mamely ilay hiram-panoherana
Vondrona maherin'ny 24 ampitan-dranomasina mpiaro ny zon'olombelona sy ny zo ankihy mihevitra fa raha vao ekena ilay baiko dia mety hisy “fiantraikany mandravarava” amin'ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fidirana torohay, izay misy fiantraikany maneran-tany.
Mpanao gazety avy amin'ny KRIK Serba, voaheloka noho ny fanakianana ireo fitoriana SLAPP anenjehana ilay trano mpamoaka vaovao
"Asehon'ity didim-pitsarana ity mazava fa nanjary fitaovana lehibe ho an'ny fitondrana ny SLAPP mba hanakatonany ireo haino aman-jery tsy miankina vitsivitsy sisa tavela", hoy ny nambaran'i Stevan Dojčinović, lehiben'ny Tonian-dahatsoratra ao amin'ny KRIK, famoaham-baovaom-panadihadiana Serba.
Fakàna tahàka ny fanao tsy liberaly: Ny fanafihan'ny fanjakàna Kyrgyz ny media, mpanao gazety ary bilaogera
Maka tàhaka ireo fomba fanao tsy liberaly avy any Rosia ny governemanta Kyrghyz. Misy fiantraikany amin'ny fiainam-bahoaka sy ny asan'ireo media, ny mpanao gazety ary ireo bilaogera ireny fiovàna ireny
Wikipedia Punjabi 21 taona: Fankalazana ny lahatsoratra 50.000 ary miatrika ny hoavy
Nifarimbona ny vondrom-piarahamonina manontolo hanatontosa Iraka 50.000, antso hihetsehana hanatratra lahatsoratra 50.000, ho fankalazana ny faha-21 taonan'ny Wikipedia Punjabi.
Ny fiantraikan'ny fiovàn'ny toetrandro amin'ny famokarana sakafo ao Goiàna sy St-Vincent&Grenadines
Raha niezaka nanandrana ny hampitombo ny famokarany ireo firenena nosy kely ao Karaiba mba hiadiana amin'ny fidangan'ny vidin-tsakafo, ny fiovàn'ny toetrandro kosa nanelingelina ireny ezaka ireny
#StandWithBach: Ho fanohanana ilay mpisolovava ara-tontolo iainana manao fitokonana tsy hihinan-kanina ao Vietnam
Nohazonina hatramin'ny jona 2021 ilay Vietnamiana mpahay lalàna Dang Dinh Bach ary manefa ny saziny ho mandositra hetra taorian'ny nitsikerany ny politika ara-tontolo iainan'ny governemanta.