Tantara tamin'ny Marsa, 2023
Nosintonina tsy ho alefa ao Hong Kong ilay sarimihetsika mampihoron-koditra ‘Winnie ilay Bera’
Nankatoavin'ny mpanivana tao HK ilay sarimihetsika, saingy nosintonina tsy nasiam-panazavana akory izany taty aoriana. Ireo mpanivana ao Shina tanibe no nandrara tsy tapaka ny sarin'ilay bera natao sariitatra, satria maro no nampitovy izany tamin' Xi Jinping, filohan'i Shina.
Ao Tôgô, fo mamelona ny renivohitra ny tsena lehibe ao Adawlato
Tsy sampanan-dàlana fotsiny ho an'ny ara-toekaren'i Tôgô ny tsenan'i Adawlato, fa maneho ihany koa ampahany manandanja amin'ny lova ara-tantaran'i Lomé renivohitra.
Fanambaràna ny fifidianana filankevi-pitantanan'ny Global Voices 2023 – manondroa olona mialoha ny 30 marsa!
Nahafeno ny fehim-potoana niasany amin'ity faran'ny volana marsa ity ny solontenantsika vondrom-piarahamonina GV ao amin'ny filankevi-pitantanana. Indro ny antsipirian'ny fifidianana ho solontenantsika telo vaovao ho avy!
Mitady fiaraha-miasa hanampy amin'ny fiarovana ny haran-dranomasina i Trinidad & Tobago
Niara-niasa tamin'ny governemanta, ny sehatra tsy miankina sy ny fikambanana mifototra amin'ny vondrom-piarahamonina ny Ivontoerana momba ny raharaha an-dranomasina ao Trinidad sy Tobago vao haingana mba hanamafisana ny fahaizany amin'ny fanarenana ireo haran-dranomasina sy ahi-maitso an-dranomasina noho ny fiovaovan'ny toetr'andro.
Hong Kong: Nofoanana noho ny fandrahonana fisamborana ny fihetsiketsehana nataon'ny vehivavy mpiasa
Nikasa hanao fihetsiketsehana ny vondrona mpiaro ny zon'ny vehivavy ny 5 martsa, mialoha ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy. Nofoanana tampoka anefa ilay fihetsiketsehana rehefa nipoitra ny onjam-pamoretana ara-politika.
Maninona i Serbia no lasa ‘ny tena voa mafy indrindra’ amin'ilay ady ao Okraina?
Ireo media serba mpomba fanjakàna, mampiroborobo ny fitantaràna hoe ny firenena dia "niharan'ny tsindry", "niharan'ny fampitambazana","nizaka fihoaram-pefy"," ary lasibatry ny "fanafihana voarindra" ataon'ireo "hery lehibe" ao anatin'ny "ady manokana" avy any Andrefana
Ankizivavy rosiàna nanao sary manohitra ny ady. Ankehitriny any amina toby fialokalofan'ny ankizy izy, ary nosamborina ny rainy
Herintaona lasa izay, mpianatra iray tamin'ny CM2, Masha Moskaleva, no nanao sary manohitra ady. Ankehitriny, migadra telo taona an-tranomaizina ny rainy ary mety ho alefa any amin'ny trano fitaizana zaza kamboty i Masha.
Taratasim-baovao RV : HIGA, vonona hiatrika ny vovonana fahefatra fanaony!
Fiteny, hetsika, fahafahana miditra, sy ny maro hafa!
Antsafa niarahana tamin'i Nicolas Carlier
GV: Azonao lazaina aminay ve ny momba anao? Iza marina moa i Nicolas Carlier ? Amin’ny andavanandrom-piainana aho Mpanolotsaim-Panabeazana Voalohany nandritra ny telo taona izay, saingy nanomboka ny asako maha-matihanina ho...
Global Voices mitady mpiara-miombona antoka amin'ny resaka Media Sôsialy ho an'i Afrika mampiasa sy miteny frantsay ao ambanin'i Saharà
Ny Global Voices dia mitady mpiara-miombona antoka amin'ny resaka Media Sôsialy ho an'i Afrika mampiasa sy miteny frantsay mba hifandray amina mpanjohy maro no sady hamorona votoaty mahasarika.