Tantara tamin'ny Febroary, 2023
Tatitra maneho ny haavon'ny kolikoly tamin'ny fitantanan'ny vola natokana ho an'ny Covid tao Afrika
Ny fanodinkodinam-bola tamin'ny ady atao amin'ny Covid dia fantatra avy tamin'ireo tatitra fitantanana izay mahatezitra ny fiarahamonim-pirenena ao Togo sy Senegaly.
Lehilahy nampangaina ho nandoro birao fandraisana ho miaramila tao Transnistria, miatrika fampidirana am-ponja mandritra ny 30 taona
Tsy mitovy amin'ireo fanitsakitsahana zon'olombelona maro hafa mitovy amin'izany tao Transnistria, ny raharaha fisamborana an'i Alexander Dimov sy ny sazy famonjana mety ho tonga hatramin'ny 30 taona hanjo azy dia tsy niteraka fanehoan-kevitra betsaka akory teny anivon'ny vahoaka.
Fanorisorenana nanjo ny vehivavy iray mpitsara lalao nandritra ny lalao baolina kitra iray, manasongadina ny fanamby atrehan'ireo vehivavy mpitsara lalao
Tsy mora ny asan'ireo vehivavy mpitsara, izay sady manoratra ny tantara no mitsara ilay taranjam-panatanjahantena lehibe, amin'ny famaliana ny antson'izy ireny
Tsy hangina intsony: tonga hatrany an-kianja filalaovana baolina kitra ny ny tsikera momba ny fandraisana an-tànana ny horohorontany tao Tiorkia
Nikarakara hetsika ny klioba ho fahatsiarovana ireo ankizy rehetra namoy ny ainy nandritra ilay horohorontany, miaraka amin'ny fikasàna hanolotra kilalao ho an'ireo fianakaviana nafindra toerana sy sisimpaty tamin'ilay loza voajanahary.
Nompian'ilay mpamonjy voina ny saka iray navotany taorian'ny horohorontany tany Tiorkia
Namonjy olona miisa dimy tao ambanin'ny trano rava tao Gaziantep ny ekipan'ny mpamonjy voina avy ao Mardin. Teny an-dalana hody hiverina ho any Mardin, niampy iray ny ekipa, ilay saka antsoina hoe Wreck.
Ny hoavin'ny fanarahamaso faobe ao Serbia?
Nisintona – fanindroany – ny volavolan-dalàna mifehy ny asan'ny polisy miaraka amin'ny fepetra ahafahana manalokaloka ny fiainana manokana ny governemanta Serba, taorian'ny fitarainan'ny fiarahamonim-pirenena sy ny fanerena iraisam-pirenena.
Fifaninanana maka sary Panorama amin'ny fampiasàna iPhone ao Trinidad & Tobago
Naniry ny hivezivezy maivana aho dia tapaka ny hevitro fa tokony ho ampy hakàna sary ny smartphone-ko. Manome fijery avy eny an-kianja ny fampisehoana Panorama 2023 ny vokatra azo.
Mitaky ny zony ety anaty tambajotra ry zareo Togoley
Ao Togo, mampiasa fikatrohana an-tserasera ireo tanora mba ho ren'ny mponina fa indrindra koa ny governemanta.
Manainga anao ny lahakiran'ny Karnavalin'i Trinidad & Tobago 2023, avy eo mampangatsiatsiaka anao
Hira mampialavoly sady mahafinaritra avy amin'ny Karnavalin'i Trinidad sy Tobago 2023, izay tontosaina ny 20 sy 21 febroary..
Tia ilay hira vaovao an'i Shakira? Henoy ireo hira hafa manome hery avy amin'ny DJ iray
Manampy amin'ny famolavolana ny kolontsaina pop ho sehatra azo antoka kokoa sy manome hery ho an'ny vehivavy rehetra sy ny LGBTQ+ i Bizarrap sy ireo mpanakanto ireo