Tantara tamin'ny Marsa, 2021
Taratasim-baovaon'ny RV: Nahazo loka iraisam-pirenena ny Activismo Lenguas noho ny famelomana indray ny tenindrazana.

Ny taratasim-baovaon'ny Rising Voices dia manome ireo rohy mankany amin'ireo zavatra azo araraotina mifandraika amin'ny fampiatiana nomerika, isan'izany ny fahafahana miditra sy ny fandraisana ireo fitaovana dizitaly, ary hatramin'ireo fomba maro isan-karazany ahafahan'ireo mpiaramonina handray anjara feno anaty aterineto.
Taona maro mahafinaritra ho an'ny fihainoana, fandikan-teny, fanoratana… ary firesahana!

Miangavy anareo mba tsy hanatsoaka hevitra avy amin'ireo fitantarana "voalohany" ireo izay hanaovako topimaso. Marina tokoa fa sady feno no manankarena ireo taona lasa ireo tamin'ny lafiny rehetra. Nianatra isika sady mbola mianatra izay mampatanjaka antsika. Manana fifaliana sady miara-miasa.