Tantara tamin'ny Febroary, 2021
Sary an-drindrina vaovao ao afovoan-tanànan'i Kingston mitondra hazavana ao anatin'ny haizin'ny COVID-19 any Jamaika
Ny seha-pamoronana ao Jamaika, izay nanomboka nahitàna "laingo maitso" marobe indray talohan'ny valanaretina COVID-19, dia voadona manokana - saingy miroso mitondra zavatra vaovao.
Manenjika ireo mpanohitra ara-politika i Hong Kong amin'ny alàlan'ny fanakatsoana ny kaonty any amin'ny banky.
Inoan'ireo mpikatroka mpandala ny demokrasia fa ny rafitry ny banky dia ampiasan'ny polisin'ny fiarovam-pirenena hamoretana ireo mpikatroka sy ONG mpanohana ny demokrasia.
Nahatratra dokambarotra hiandany amin’ny Huawei ny orinasa mpanao fikarohana iray
Na dia tsy ampy aza ny valim-pikarohan’ny Graphika mba hahafahana manaporofo fa ny Huawei no tao ambadik’izao paikady izao, dia ireo mpiasany no anisan’ny nanaparitaka be indrindra ireo lahatsoratra navoakan’ireto kaonty fako ireto.
Tarika hip-hop iray tsy mitendry afa-tsy zavamaneno nentim-paharazana mba hanorenana kolontsaina Kazakhstani vaovao
Tetikasa andrana ara-mozika iray no miezaka manova ny fomba fijery ratsy atao amin’ny kolontsaina ambanivohitra, amin’ny famokarana hira vaovao mampiasa ireo zavamaneno nentim-paharazana.
Nanao fihetsiketsehana tao Baku ny vehivavy taorian'ny famonoana olona mahatsiravina
Vokatry ny famonoana tamin'ny fomba feno habibiana vehivavy 32 taona ny fihetsiketsehana.
Nandray loka amin'ny tenindrazana iraisampirenena ny fandraisana an-tanana Activismo Lenguas ao amin'ny Rising Voices
“Izao loka izao no vavolombelona amin'ny fiantraikan'ny mpikatroka ara-piteny manerana an'i Amerika Latinina sy ny halehiben'ny otrika hovononina amin'ny asany,"
Nikasa ny handroaka ilay mpanao gazety vahiny i Mozambika
Tom Bower no mpanorina ny tranonkalam-baovao Zitamar News, izay noderaina noho ny fitantarany momba ny ady mitam-piadiana tao amin'ny faritanin'i Cabo Delgado tato anatin'ny taona vitsy lasa.
Niantsafa tamin'ny rakipeo Radiolab momba ny Birao Fanaraha-mason'ny Facebook i Endalk Chala
Manasa anao hihaino an'i Endalk Chala, mpandray anjara ato amin'ny GV, miresaka momba ny fanehoan-kevitra feno fankahalana izay manjaka amin'ny Facebook any Etiopia.
Mihenjana ny fifandraisan'ny Haindò sy ny Miozolomana taorian'ny fandrobana ny tempoly Haindò tao an-tanàndehibe Pakistaney
"Tokony hosamborin'ny governemanta ireo nandrava ny Tempoly sy ny sekoly, tsy misy olona manan-jo hamotika toeram-pivavahana hafa."
Nahoana no esorina daholo ireo sarivongana dindon'ny fanjanahantany ao Amerika?
"Ho anay, toy ny fanerena Jiosy iray handalo isanandro manoloana ny sarivongan'i Hitler" ny fandeferana ny fisian'ny karazana tsangambato tahaka ireny.