Tantara tamin'ny Marsa, 2020
Andro Fahatsiarovana Erantany ilay Famonoana Faobe : Auschwitz an-tsary
Navadiky ny tahiry an-tambajotra "Znaci.net" ho nomerika ireo saripika marobe tao Auschwitz avy amin'ireo tranombakoka isankarazany tao Yogoslavia fahiny. Izy ireny no milaza ny tantara, ankoatra ireo zavatra hafa, momba ny fianakaviana Mandić, gadra avy any Kroasia.
Miparitaka any Eorôpa Afovoany sy Atsinanana ny fampifandraisana ny Coronavirus amin'ny fankahalàna vahiny
Tranganà fankahalàna aziatika notaterina tany Makedsonia Avaratra, Repoblika Tseky, Belarosy ary ... any anaty tambajotran-tserasera sosialy manerana ny faritra.
Mpanao gazety Maleziana lasibatry ny tenim-pankahalana sy ny fanavakavaham-bolonkoditra tao amin'ny Facebook
"Zava-dehibe ny valinteny avy hatrany avy amin'ny Facebook sy ny sehatry ny tambajotra sosialy hafa amin'ny fisorohana ny fitsikerana an-tserasera, izay matetika ahitana fanosoram-potaka sy fanalam-baraka."
Shina: Tsy maintsy fanondranana tany tsy fahita firy sa tsia ?
Miaraka amin'ny fitomboan'ny fihetsehampo miaro tanindrazana, betsaka amin'ireo shinoa ao amin'ny tanibe no mankasitraka ny fameperana nataon'ny governemanta amin'ny fanondranana ireo tany tsy fahita firy
Tapitra ny Ebola any RD Congo fa manomboka ny coronavirus
Miatrika ny tranga COVID-19 voalohany i RD Congo ankehitriny raha nanambara ny fiafaran'ny Ebola. Moa ve hanampy amin'ny ady amin'ny valanaretina coronavirus ny lesona noraisina tamin'ny Ebola ?
Milaza ny fikarohana fa azo nosorohana ny 95% n'ny tranga coronavirus tany Shina
Afaka nahena hatramin'ny 66 isanjato ny tranga coronavirus raha noraisina herinandro mialoha ireo fepetra, araka ny voalazan'ny fikarohana, na nihena hatramin'ny 86 isanjato raha natomboka tapa-bolana mialoha.
Atahorana ho lany tamingana ny hazo maitsoririnina hitsaboana homamiadana any Nepal
Atahorana ho lany tamingana any Nepal ny hazo Taxus mairei. Mila dingana mivaingana i Nepal mba hiarovana ireo hazo ireo ary mila mampiasa rafitra maharitra amin'ny fitangosana ny ravina.
Nahoana no nila taona 3 ireo manampahefana ao Pero mba hanadihadiana momba ny famonoana ity ramatoa ity?
Niala olana momba ny fanjavonany ireo manampahefana, tamin'ny filazàna hoe nandao ny vadiny mba hanaraka lehilahy hafa ramatoa
Miatrika ny trangana COVID-19 voalohany tamin'ny alàlan'ny fanakatonana vonjimaika ny sisintaniny i Bhutan
Nahatonga ny governemanta hametraka ny famerana ny fidiran'ny mpizaha tany rehetra mandritra ny roa herinandro ny tranga COVID-19 voamarina voalohany tany Bhutan izay nentin'ny mpizaha tany Amerikana avy any India.
Milazalaza ny fihoaram-pefy any am-ponjan'i Vietnam ny renin'ny bilaogera migadra Le Anh Hung
Vao nitafatafa tamin'ny The 88 Project (Tetikasa 88) Rtoa Tran Thi Niem niresahany ny momba an'i Le Anh Hung, zananilahy bilaogera migadra, izay avezivezy any amin'ny toeram-pitsaboana marary saina hatramin'ny nisamborana azy tamin'ny taona 2013.