Mey, 2019

Tantara tamin'ny Mey, 2019

Ny vehivavy afrikanina manoloana ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy

  31 Mey 2019

Andro iraisam-pirenena ho amin'ny fanafoanana ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy ny 25 novambra ary manamarika ny fiandohan'ny 16 andro hikatrohana anoherana ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy sy ny ankizy ,mandritra izany no nananganan'ny vehivavy sy ny fikambanany hetsika manerana izao tontolo izao mba hampitsahatra ny herisetra amin'ny vehivavy.

Ny atao hoe trano LAN

Rising Voices  30 Mey 2019

Felipe Vaz no mpandrindra ny Instituto Overmundo, izay mampiroborobo ny fidirana amin’ny fahalalahana sy ny fahasamihafana ara-kolontsaina any Brezila amin'ny alàlan'ny fomba amam-panao nohavaozina amin'ny serasera, ny fizakamanana ara-tsaina ary ny teknolojia. Soritsoritan'i Felipe ny "revolisionan'ny trano LAN" (Local Area Networks - tambajotram-paritra ao an-toerana) any Brezila.

Amadou M. Ba avy ao amin'ny AllAfrica.com

Rising Voices  30 Mey 2019

Mpiara-manorina sady filohan'ny AllAfrica.com, ilay mpanangom-baovao an-tserasera lehibe indrindra sady mpaninjara ny vaovao avy any Afrika Atsimon'i Sahara amin'ny teny Anglisy sy teny Frantsay i Amadou M. Ba. Izy ihany koa no tale mpanatanteraka ny African Media Initiative, izay mikendry ny hanome tanjaka ny sehatry ny fampitam-baovao aty Afrika