Janoary, 2019

Tantara tamin'ny Janoary, 2019

Nahena ho 20 taona ny sazin'i Sayed Pervez Kambakhsh

GV Mpisolovava

Nofoanan'ny fitsarana avo Afghana ny fanamelohana ho faty ho an'ilay mpianatry ny asa fanaovan-gazety izay voampanga tamin'ny fanevatevana noho ny fametrahana fanontaniana tao am-pianarana momba ny zon'ny vehivavy eo ambanin'ny finoana Islamo . Saingy mbola nanameloka azy hisazy 20 taona an-tranomaizina ireo mpitsara.

31 Janoary 2019

Azerbaijan: Bilaogera roa voasazy

GV Mpisolovava

Araka ny efa natahoran'ny ankamaroan'ny mpanohana azy ireo, dia efa nanameloka an'i Adnan Hajizade sy Emin Milli sahady ny fitsarana iray any Baku, Azerbaijanary ny andro nanaovana ny adihevitra momba ny raharaha hanenjehana ireo tanora mpikatroka roa amin'ny fibilaogina lahatsary, .

30 Janoary 2019