Febroary, 2018

Tantara tamin'ny Febroary, 2018

Venezoela: Trano Famoahamboky Mamoaka Asa Soratra Anaty Aterineto

Misy vaovao tsara ho an'ireo mpankafy ny literatiora amin'ny teny Espaniôla. Noho ny fandraisana andraikitra avy amin'ny Minisitry ny Kolontsaina Venezoeliana, efa azo alaina maimaimpoana ao anaty aterineto ny asa soratra avy amin'ny trano famoahamboky Ayacucho Library. Ankalazain'ireo bilaogera ilay fifantenana boky, izay manamora ny fahazoana iteratiora.

28 Febroary 2018

Samy Manao Diabe Ao Sofia na ny Mpanome Voninahitra Ny Jeneraly Pro-Nazi, na ny Mpitsipaka ny Fasisma

Andro feno fandaharam-potoana ny 17 Febroary tao Sofia renivohitra Boligara, izay nanaovan'ny mpanohana ny farany havanana diabe ho fanamarihana ny faha-75 taona namonoana ilay minisitry ny fiarovana Boligara Prô-Nazi, Hristo Lukov, ary namaly vao maraina kosa ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra izany ka nanameloka ny nasionalisma sy ny fankahalana vahiny.

28 Febroary 2018

Migadona Ao Taiwan Ny Big Issue

Taiwan no firenena faha-9 mamoaka Ny Big Issue. Ankoatra ny resaka fototra ao, mamatsy hevitra hahafahan'ny olom-pirenena manampy ny sahirana ihany koa izy. Kanefa tsy mitovy amin'ny fanomezana, fa mampandray andraikitra ireo sahirana sy mampahaleo tena azy ireo koa

28 Febroary 2018

Serbia: “Fasisma Miafina”

Aingam-panahy avy tamin'ny lovan'ny mpikatroka Afrikanina Amerikanina Audrey Lorde, nanameloka ny mpiray tanindrazana aminy, bilaogera Serba, amin'ny fahanginana momba ny heloka bevava miseho ao amin'ny tokotanin'izy ireo ihany. Nandika sombiny izay avy amin'io lahatsoratra mahaliana io i Sinisa Boljanovic

28 Febroary 2018