Tantara tamin'ny Avrily, 2017
Hetsipanoherana Manohitra ny Kolikoly Ao Romania Sy Ny Vesatry ny Henatra
Na rakotry ny henatra manarona ny firenena aza, nandritry ny andro maromaro i Romania dia toerana iray nanainga fanahy, satria nidina an'arabe ny olona ary niaky ny fisian'ny kolikoly miely patrana.
Nalaza tao amin'ny Twitter ny “Faly Aho avy ao Tohoku” Taorian'ny Teny Tsimifaditrovana Nataon'ny Politisiana Japoney Iray
Niteraka tenirohy malaza ao amin'ny Twitter fanohanana ny faritra Tohoku ao avaratra atsinanan'i Japana sy fitakiana fialan'ilay minisitra ny fanamarihana feno fahamafisam-po nataon'ilay minisitra Japoney iray mpikambana ao amin'ny kabinetra.
Nanakana Sehatra Media Sosialy Miisa 22 Tao Kashmir Ny Governemanta Indiana
"Amin'ny fanehoana ny lafiny hafa amin'ny tantara ao Kashmir, afaka naneho nandritra ny fotoana kely ny hasarotry ny tantara sy ny fifandirana tena sarotra ao Kashmir ny mponina ao an-toerana ."
Manamarika Ny Lohataonan'ny Nosy Grika Ao Chios Ny Lalady na ny Voninkazo Tiolipa ao An-toerana
Miresaka tantaran'ny fifindra-monin'ilay voninkazo ny voambolana lalady ao Chios rehefa miteny hoe tiolipa.
Nilaza Ny Hetsi-panoherana Rosiana Fa Mitohy ny Tolona, na dia eo aza ny Fandraràna Federaly
Na dia noraràn'ny mpampanoa lalàna androany aza, nilaza ny hetsi-panoherana “Rosia Misokatra” fa hanohy ny hetsika rehetra, anisan'izany ny drafitra fihetsiketsehana manohitra an'i Potinina manerana ny firenena androany Asabotsy.
Hay Tena Kely Tokoa Ity Izao Tontolo Izao Ity : Fandraisampeo Mankany Amin'ny Lalina
Mandania fotoana miaraka amin'olona avy any amin'ny firenen-kafa, na miteny amin'ny fiteny hafa, ary tsy ho ela dia ho hitanao fa maro kokoa noho izay noeritreretinao tamin'ny voalohany ny zavatra itovizanareo.
Lohalaharana ao Azia i Taiwan Raha Nihemotra Toerana Efatra Kosa i Hong Kong ao Anatin'ny Tondro Momba ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety
"Nilaza fitomboan'ny tsindry ny ankamaroan'[ireo mpiasa amin'ny media ao Hong Kong], izay miteraka fanivànan-tena iniana atao."
Ahoana ny Nandaozan'i Alexey Navalny ny Nasionalisma Rosiana
Tsy maintsy niova i Alexey Navalny hiandraiketany ny Rosiana mpanohitra, saingy mety mitsahatra amin'ny kabary fandrendreham-bahoaka ifanoherany amin'i Vladimir Potinina izy eny an-dalana.
Ny Fomba Nahatongavan'ny Mariky ny Silamo Henjam-Pihetsika ao Indonezia Hatrany Anaty Pejin'ny Marvel Comics
" Io asa kanto io dia hoesorina ao anatin'ireo boky voatonta, ny dika dizitaly, ary ireo bokikely fanao am-paosy, ary hisy fepetra ara-pitsipika horaisina," araka ny fanambaràna navoakan'ny Marvel Comics.
Fifamelezana Totohondry Noho ny Resaka Fandoavambola, Misisika Amin'ny Fanemozana Tsiny Ilay Vehivavy ny Sasany Amin'ireo Hong Konger, fa Tsy Ilay Lehilahy
Ora maro taorian'ny nipoahan'ny tantara, nohazavain'ny tompon'ny trano fisakafoanana fa raikitra ny ady satria ilay ramatoa naniry ny hifampizara ny fandaniana saingy nolavin'ilay lehilahy.