Tantara tamin'ny Avrily, 2016
Rakotry ny Irakiana Mpanao Fanoherana Ny Parlemanta; Nambara Ny Fepetra Amin'ny Tany Misahotaka
Anjatony maro ireo Irakiana nibosesika tao amin'ny tranoben'ny Parlemanta, ao anatin'ilay Faritra Maitso tsara aro ao Baghdad, ho fanoherana ny fikatsoan'ny fanendrena ny governemanta vaovao androany. Navoaka ny fepetra amin'ny tany misahotaka
Miady Ny Mba Hikarakarana Ireo Teratany Kumamoto Miisa 100.000 Nafindra Vokatry Ny Horohorontany i Japana
Olona an'hetsiny no mbola manohy miaina ankalamanjana ao Japana taorian'ireo horohorontany, orambe nikija, tondradrano ary ireo fihotsahan'ny tany.
Hankahala Ny Fasika Mavo Ao Japana Ny Hoditrao
Fambara famantarana ny fiavian'ny lohataona ny vovoka mavo ao Azia Atsinanana. Mitondra fasika, vovoka, ary antsanga izay miteraka famaivain'ny hoditra izany
Noraisin'ny Pôrtô Rikana Am-po Ny ‘Hamilton’ Nahazoan'i Lin-Manuel Miranda Fahombiazana
Raha mbola ao anatin'ny krizy ara-bola i Pôrtô Riko , ny fahombiazan'ilay teatra an'i Lin-Manuel Miranda kosa nitondra hafaliana sy fanantenana.
Io Ramatoa 23 Taona Io No Nanokatra Ny Hopitaly Fanarenana Voalohany Tao India Ho An'Ireo Olona Tsy Matin'ny Fanafihana Tamin'ny Asidra
Manohana ara-pahasalamana, araka ny lalàna, ara-pihetsehampo sy ara-bola ireo sisa velona, ilay ivontoerana revolisionera ao New Delhi
Fampiharana Vaovao Manampy Ireo Olom-pirenena Hamantatra Izay Fantatr'ireo Mpamatsy Aterineto Ao Hong Kong Momba Azy Ireo
Mamoaka taratasy iray ho an'ireo mpampiasa azy ho alefa amin'ireo mpanome tolotra aterineto sy ireo orinasam-pifandraisana amin'ny finday ny Access My Info mba hangatahany angon-drakitra mikasika azy ireo ihany.
Hetsi-Panoherana Miboridana Nisarika Ny Saina Ho Any Amin'ny Kolontsaim-Panolanana Ao Amin'ny Onivesiten'i Rhodes Ao Afrika Atsimo
Maninona no manohina anao ny vehivavy manana finiavana hampiseho ny vatany, nefa ny herisetra nihatra taminy tsy mampaninona anao?
Ampangain'ny Lehiben'ny Fampanoavana Rosiana ny “Faritra Havanana” Ho Nampiasa Ny Media Sosialy Hanonganana An'i Kremlin
Nilaza ny Lehiben'ny Fampanoavana fa nampiasa ny tambajotra sosialy Rosiana VKontakte ny mpikambana ao amin'ny "Faritra Havanana" hamoronany pejy azon'ny daholobe idirana ho mpikambana sy hanomanany " korontana faobe ary hetsika tsy nahazoana alàlana"
Mpitendry Milina Fanoratana Nentim-paharazana Maharitra Hatramin'ny Taonjato Faha-21 Ao Myanmar
"Manosika anay ny [milina fanoratana] mba hahomby kokoa, mijery ny fahadisoanay ao amin'ny taratasy, ka mitandrina kokoa izahay mba tsy hanao fahadisoana.."
#MedeHollín: Ilay Fanentanana Hanoherana Ny Fandotoana Nanova Ny Anaran'ny Tanàna Kôlômbiana Iray
"Tsy ilàna teny be. Tena malahelo aho ry #Medehollin, tsy tia anao araka ny filazan'izy ireo akory ireo olona ireo"