Tantara tamin'ny Avrily, 2015
Nanjavona Teny Amin'ny Sisintanin'i Emirà Arabo Mitambatra Ilay Bilaogera Omaney Muawiyah Alrawahi
Araka ny fanambarana navoakan'ny fikambanana ho an'ny fiarovana ny mpanao gazety, notazonina ny bilaogera Omaney iray, Muawiyah Alrawahi, raha nanandrana ny hiditra tao amin'ny Emirà Arabo Mitambatra tamin'ny fiara avy any Oman.
Niaiky Ny Hadisoany Tao Amin'ny Aterineto Ireo Teratany Japoney ‘Netto-Uyo’ Mpanavakava-Bolon-Koditra Teo Aloha
Nilaza ireo Japoney mpaneho hevitra ety anaty aterineto izay mpanao teny misoritra fankahalana fa voasarika loatra tamin'ny tontolon'ny fanehoankevitry ny farany havanana tao amin'ny aterineto izy ireo mba hialàny amin'ilay fahatsapan-tena ho irery.
Valinteny Manoloana ny Fisalasalana amin'ny Roboton'i Kremlin
Rehefa nahasarika ny sain'ny maro tao amin'ny fampahalalam-baovao Rosiana sy ny tambajotra sosialy ny fanadihadiana momba ny tambajotra nataon'i After Alexander momba ireo roboto, miresaka momba ireo fisalasalana sasany momba ny tambajotra roboto sy ny fiavian'izy ireo izy ankehitriny.
Fanapahan-Doha Nataon'ny ISIS, Olan'ny Vahoaka Ethiopiana fa Tsy Olan'ny Governemanta
Hatramin'ny nanapahan'ny ISIS ny lohan'ireo Kristianina Etiopiana tao Libya tamin'ny herinandro lasa, nanohitra ny fahanginan'ny governemanta taorian'ny fahitana ireo niharam-boina roa ny vahoaka Etiopiana.
Dingana Manaraka: Tanora Shipibo ho Mpanoratra Gazety Nomerika Chariboan Joi
Nanatontosa ny atrikasa momba ny asa fanaovan-gazety nomerika ny tetikasa Chariboan Joi nanomboka tamin'ny 9 Febroary ka hatramin'ny 20 Febroary. Tanora Shipibo 10 no nandray anjara tamin'ny tetikasa.
Ao Anatin'ny Fibodoan'ireo Mpianatra ‘New University’ Ao Amsterdam
Manome ny sombiny amin'ny hetsika "New University", fibodoana nandritra ny roa volana nataon'ireo mpianatra ao amin'ny Anjerimanontolon'i Amsterdam, i Roberto Pizzato sy Nicola Zolin, mpanao gazety sy mpaka sary.
Fanatanjahan-tena Mahate-ho-tia Ve Sa Fampijaliana Biby Ny Fanatanjahan-tena Nasiônalin'i Meksika?
Fanehoana fampisehoana Meksikàna mahoraka ve ny charrería sa fomba fanao hampijaliana biby?
Hong Kong: Nolazaina fa Nidaroka Mpitandro Filaminana Ilay Mpanao Fihetsiketsehana Iray. Mandiso Izany Ny Lahatsary Porofo
Niala tamin'ny fomba fanaony ireo mpivady mba hanampiana an'i Ho Pak-Hei, 17 taona, izay nafahana madiodio tamin'ny fitoriana azy. Mitsangana miaraka amin'ny porofo ireo olon-tsotra mahery fo sahala amin'izy ireo, maneho fa nampangaina tsy ara-drariny ireo mpanao fihetsiketsehana miaro ny demokrasia.
Nanjary Andry Iankinan'ny Ain-dehibe Ny Media Sosialy Taorian'ny Horohorontany Tao Nepal
Manangona tahirim-baovao mba hanomezana fanohanana hoan'ny olona ao Nepal ny tambajotra sosialy manerantany ary miantso ny tokony handraisana andraikitra.
Tsiahin'ilay Lehilahy Eritreana Ambavahoanan'ny Fahafatesana Raha Namakivaky ny Ranomasina Mediteranea
"Tsy miezaka mba hanatsara kokoa ny fiainanay izahay, fa mba hatory amin'ny fandriana tsara kokoa...Fanontaniana fototra momba ny fototry ny zon'olombelona izany," hoy i Daniel Habtey.