Tantara tamin'ny Janoary, 2015
Nosivanin'ireo Manampahefana Kazakh Ireo Lahatsary Ahitana Ankizy Any Amin'ireo Toby Fanazarantenan'ny ISIS
Lasa malaza be amin'ny Aterineto ny lahatsarin'ireo ankizy Kazakh any amin'ny tobim-piofanan'ny ISIS ofanina ho miaramila kely.
Tandindonin-doza Noho Ny Fisian'ny Solika Mainty Ny Sundarbans Any Bangladesh
Mitaky ny fandraisan'ny governemanta fepetra matanjaka ireo mpanao fihetsiketsehana. Na eo aza izany, rehefa tsy misy fepetra mahomby raisin'ny governemanta dia tsy maintsy mbola hiantehitra amin'ny vondrom-piarahamonina sy ireo mpilatsaka an-tsitrapo ihany i Bangladesh amin'ity olan'ny tontolo iainana ity.
Filipina : An'Aliny Ireo Mitaky Ny Rariny Ho An'ireo Niharam-Boina Tamin'Ilay Rivodoza Haiyan
"Mitomany ry zareo isaky ny mitantara ny tantarany. Tsy noho ny famoizana olo-malala sy fananana kely nandritra ny rivodoza fotsiny"
Kobane Manambara Ny Fandreseny Manoloana ny ISIS
Taorian'ny 133 andro nifanandrinana tao anaty ra mandriaka nifanaovana tamin'ny ISIS, dia nanambara ny fandreseny ihany ny Kiorda Revolisionera ao Kobane.
Maro Lavitra Noho ny Lalao Baolina Kitra Ny Nalaza Tao Brezily Tamin'ny Taona 2014
Misy ihany koa ny oroka pelaka hita amin'ny tantara mitohy amin'ny fahitalavitra, ny adihevitra manoloana ny fahavakavahambolonkoditra sy ny fitsaram-bahoaka, hita tao amin'ity firenena lehibe indrindra ao Amerika Latina ity tamin'ny 2014 ihany koa ireo.
Mety Ho Lany Taranaka Ny Lamàtra Mena Noho Ny Fitiavan'ny Japoney Azy
Nataon'ny Fikambanana iraisam-pirenena Mitahiry ny Zava-boahary ho ao anaty lisitra menan'ny karazana efa ho lany taranaka ny lamàtra mena. Japana no mandany ny ampahefatry ny lamàtra jonoina maneran-tany.
Fantaro ny “Cebu Provincial Capitol”, Toerana Handraisana ny Zaikaben'ny Global Voices
Ny toerana hanatontosana ny Vovonan'ny Global Voices 2015 dia toerana manatantara eo amin'ny firenena, mijoro ao anatin'ny harenan'ny tantaran'ny tanàna sy ny firenena.
Inona No Noresahinay Nandritra ny Fivorian'ny Fikambanana #GV2015 Andro Voalohany Teto Cebu
Mivory eto Cebu City, Philippines ny mpikamban'ny Global Voices avy amin'ny firenena 60 ary mitrandraka ny fifandraisana eo amin'ny Aterineto misokatra, fahalalahana miteny ary ny hetsika sivika an-tserasera mandritra ny Zaikaben'ny Olontsotra Mpampita Vaovao Global Voices 2015
Notsipahan'ny Aterineto ny Vaovao Milaza An'i Birmingham Ho Tsy Azon'ny Tsy Miozolomana Aleha
Taorian'ny fanafihana tao Paris, dia nilaza tao amin'ny fantsom-baovao Britanika i Emerson, "Manampahaizana Manokana Momba ny Fampihorohoroana" ao Amin'ny Fox News , fa "Miozolomana tanteraka" ilay tanàna ao Angletera ka tsy azon'ny tsy Miozolomana aleha.
Tafahoatra Loatra Ny Lohatenin'ity Gazety ity Hoan'ny Mpamaky Maro ao Venezoelà
Nanetsika ny mpisera Twitter ny pejy voaloh'ny Últimas Noticas tamin'ny 12 Janoary tamin'ny herinandro lasa teo, rehefa nanapa-kevitra ny hilaza fa lasa lavitra loatra ilay gazety ara-politika.