Tantara tamin'ny Marsa, 2014
‘Diabe Goavana Indrindra’ Miantso Ny Hanitsiana Ny Lalàmpanorenana ao Chile
Fikambanana sivily maherin'ny 40 (ankoatra ny mpianatra [es] ) no nanatevin-daharana ny 'Diabe Goavana Indrindra)' izay nihaonan'ireo olona an-hetsiny tao Santiago mba hitaky fanitsiana lalàmpanorenana amin'ny alalan'ny antenimieran-dalàmpanorenana.
Nolanian'ny Kongresy Breziliana Ny Lalàna Momba Ny Zon'ny Mpisera Aterineto
Lany tao amin'ny Kongresim-pirenenan'i Brezila ihany nony farany ny lalàna Marco Civil ka ny latsa-bato ao amin'ny Antenimieran-doholona indray no andrasana manaraka.
Korea Atsimo: Tsy Maintsy Mametaka “Marika Volafotsy” Amin'ny Fiarany Ireo Saofera Efa Antitra
Tsy maintsy mametraka marika manokana ao aorian'ny fiarany ireo olona efa antitra mba hahafantarana fa olona efa lazondazony no mitondra fiara. Satria nahitam-piakarana ireo lozam-piarakodia nahafatesana olona nahatafiditra ireo olona antitra
Navoaka Ny Fonja Ilay Bilaogera Ejypsiana Alaa Abdel Fattah
Mitohy ny fankalazana satria navoaka ny fonja ilay bilaogera Ejypsiana malaza Alaa Abdel Fattah. Tamin'ny sioka voalohany nalefany taorian'ny famotsorana azy, nampanantena mbola "hanohy" ny tolona izy.
Fantaro Ilay Olon'ny Sarimiaina Vaovao Malaza Ao Krimea, Natalia Poklonskaya

Nambabo ny fo sy ny sain'ny RuNety i Natalia Poklonskaya, mpampanoa lalàna vaovao notendren'ny governemanta tia misaratsaraka ao Krimea, ary mahagaga fa nambabo an'i Japana ihany koa izy.
Nivoady “Hamafa” ny Twitter ao Torkia i Erdogan
Nakaton'i Torkia ny Twitter - tahaka izany ihany koa ny servisy DNS Google hoan'ny daholobe, izay nampiasaina hihodidinana ny fanakatonana. Na dia izany aza, toa hita fa tsy nahitam-bokany ny fikasan'ny governemanta Tiorka hanivanana izay fanoherana azy, satria vao maika lasa nitombo be ireo sioka avy ao Tiorkia.
Maty, Indray, Ny Mpisintaka Rosiana No. 1

Nambaran'ny sampana ofisialin'ny Emiràn'i Kaokazy, hetsika mpisintaka mitam-piadiana any Rosia atsimo, fa maty ny fahavalo voalohan'ny fitondrana Rosiana Doku Umarov.
Vehivavy Enina Notazonina Ho Andevo Tao Libanona Atsimo
Navoakan'ilay tranonkala avy any Cote d'Ivoire antsoina hoe Koaci.com ny fisian'ny vehivavy enina notazonina ho toy ny andevo tao an-tanànan'i Nabatieh ao atsimon'i Libanona. Niantso hijerena ny zava-manjò ireo vehivavy ireo ny blaogera Libaney Joey Ayoub
Firaisankina Manerantany Ho an'ireo Nanjavona Tamin'ny Voromby Malayziana MH370
Mampiseho ny firaisankinany amin'ireo havana sy ny naman'ny mpandeha nanjavona tao amin'ny voromby tsy hita an'ny Malaysia Airlines zotra MH370 izay tsy hita nanomboka ny 8 marsa ny mpiserasera manerana izao tontolo izao
GV Face: Ahoana Ny Hahazoana Vatsy Rising Voices

Manan-kevitra hanampiana ny vondrom-piarahamoninao hilazalazany ny tantarany amin'ny fampiasana median'olom-pirenena ve ianao? ikaroka ny fomba tsara indrindra hahazoana fandresena ny ekipan'ny Rising Voices (RV)