Tantara tamin'ny Aogositra, 2013
LAHATSARY: Diabem-Pireharehana 2013 Ao Vietnam
Handinika ny volavolan-dalàna momba ny ny fanambadian'ny olona mitovy fitaovam-pananahana i Vietnam atsy ho atsy. Saingy omena toerana amin'izany ve ny olana manodidina ireo LGBT?
Ambarao Amin'ny Alalan'ny StoryMaker Ny Tantaranao Ary Mahazoa €1000
Ampiasao ny Fampiharana StoryMaker hilazanao ny tantaranao ary mahazoa €1,000. Ny tantara rehetra noraketina ao amin'ny www.storymaker.cc dia tafiditra ao anatin'ny fifaninanana avy hatrany. Karohinay indrindra homenay izany loka izany ny fitantarana tsara indrindra izahay izay tsy nivoaka sy tsy fantatra raha tsy tamin'ny fampiasana ity fampihatra amin'ny finday ity.
SARIPIKA: Mametraka an-tSarintany ny Zavakanto An-Tanandehibe ao Buenos Aires sy ny Ankoatra Azy
Misy vondrona Argentines iray manasa anao hizara sy hametraka an-tsarintany ny saripikan'ny graffiti hita ao amin'ny tanànanao.
Mpiaro Ny Zon'Olombelona Saodiana Niatrika Ny Haratsian'ny Mpanao Fanadihadiana Sy Ny Mpitsara
I Umar Al-Saeed no mpikambana tanora indrindra ao amin'ny ACPRA niatrika ny fitsarana sy voagadra noho ny heviny sy ny hafanam-pony. Any am-ponja izy satria tsy nety hanaovana fanadihadiana tsy miaraka amin'ny mpisolovava azy.
Navoaka Ny Fonja i Amina, Mafana Fo Toniziana Ao Amin'ny FEMEN
Namoaka didy famotsorana an'ilay mafana fo Amina Sboui vao 19 taona ny fitsarana Toniziana, mafana fo iray ao amin'ilay fikambanam-behivavy Okraniana mpanao hetsi-panoherana FEMEN. Ankehitriny mirona any amin'i Jabeur Mejri, izay nigadra noho ny fanaovana sarimiaina an'ilay Mpaminany Muhammed.
Ireo Olona Sisa Velona Any Syria
Maherin'ny 100.000 ireo namoy ny ainy tamin'ny ady nisy rà nandriaka ho an'ny fitantanana an'i Siria teo amin'ireo mpomba ny Filoha Bashar Al-Assad sy ireo mpanohitra ny fitondrany. Nisy fiokoana...
Te-hanara-maso Ireo Resadresaka Ao Amin'ny Rindrambaiko LINE I Thailandy
Nokasaina hanaraha-maso ireo fandrahonanany fiandrianam-pirenena anaty Aterineto izany volavolan-dalàna izany. 15 tapitrisa ireo olona mampiasa ny LINE ao Thailandy.
Kerala Fanjakana Atsimo Andrefan'i India : Fihotsahan'ny Tany Nahafaty Olona No Nateraky Ny Oran'ny Talio
Ratsy ny fandehan'ny talio tao amin'ny fanjakan'i Kerala any India tamin'ity taona ity, ravan'ny safodrano sy fihotsahan'ny tany sady nahafaty olona ilay faritra.
Singapore : Loha Sola Ho Fanairana Hanohanana Ireo Ankizy Mararin'ny Homamiadana
Nahasintona olona maherin'ny 6.000 ilay hetsika fanasolàna loha izay mikendry ny hanangonam-bola sy fampiroboroboana ny fanentanana momba ny homamiadana mpahazo ny ankizy.
Zimbaboe: Mbola Te-Ho Filoha Fanimpitony Ny Filoha Mugabe
I Mugabe no hany filohan'ny firenena hatramin'ny nahazahoany ny fahaleovantenany tamin'ny 1980.