Jona, 2013

Tantara tamin'ny Jona, 2013

Nametra-pialàna Ilay Biby Famantarana Ny Halemem-panahy Any Singapore

Singa, ilay liona maha-te ho tia any Singapore ary avy eo biby famantarana ny fahasoavana nanomboka tamin'ny 1982, dia nametra-pialàna. Raha nitaraina noho ny "fiaraha-monina miharatsy sy mahasosotra" izy, nahatsapa ny liona fa fotoana tokony hitsaharana izao. Raha ny fantatra dia nanao taratasy fametraham-pialana tamin'ny Hetsi-Pahasoavana ao Singapore mihitsy i Singa.

30 Jona 2013

Hamongotra Ny Andiana Fifindra-monina Vaovao Ve Ny Breziliana?

Mitarika andiana fifindra-monina any Brezila ny krizy ara-bola maneran-tany, ady ary ireo hetraketraky ny tontolo iainana. Ny fampiroboroboana ireo politikan'ny fifindramonina mahomby, noho izany, dia mitondra fandraisan'anjara amin'ny lazan'i Brezila ho tanjaka maneran-tany vao misondrotra.

30 Jona 2013

Mandroso Ny Fahalalahan'ny Fanaovan-gazety Rosiana ny Lakozian'ny Kremlin

Akon

Novaya Gazeta, iray amin'ireo gazety mpanohitra antitra indrindra ao Rosia, dia nampiditra ny tompon'ilay trano fisakafoanana tena ankafizin'i Vladimir Putin, tanatina raharaha hafahafa mba handisoana ireo sehom-baovao maro mavesa-danja indrindra any amin'ny firenena. Araka ny nolazain'i Novaya, ny "Concord" an'i Prigozhin, orinasa mpikarakara sakafo mifandraika amin'ny Kremlin [ru] dia tafiditra anatina firaisana tsikombakomba avo lenta mba hanaparitahana vaovao tsy marina any amin'ireo gazety maro ao Rosia, miendrika dokambarotra, mba handresena lahatra ny vahoaka fa ahofa ilay vaovao.

30 Jona 2013

Raha Nipoahana Baomba i Kabul, Nanangana Birao Kosa Ny Taliban Tao Doha

Nampisahotaka ny Faritra Andrefan'ny tanànan'i Kabul, Afganistana ilay fipoahana baomba ny 18 Jona teo, izay nahafatesàna olona telo farafahakeliny ary naharatràna olona mihoatran'ny roampolo. Izany dia nitranga taorian'ilay fikaonan-doha iraisam-pirenena (ISAF) izay nanaovan'ny miaramila famindram-pahefàna ofisialy tamin'ireo Hery fiarovana avy any amin'ny distrika Atsinanana sy Avaratra ambiny amin'ireo Hery fiarovana Nasionaly ao Afganistana. Raha mbola variana tamin'ilay vaovao mikasika ny fipoahana ny mponina Afgana, ny Talibana kosa nanokana ireo Ivon-toerana vaovao tao Qatar.

30 Jona 2013

Manafika Ny Fonenan'Ireo Shiita Ao Ejipta Ny Salafista, Efatra No Maty

Mpikambana Ejiptiana efatra ao amin'ny antokom-pivavahana Shiita no namoy ny ainy tao Ejipta androany tamin'ny fanafihan'ireo Salafista ny fiangonan'izy ireo, taorian'ny fihantsiana nataon'izy ireo tamin'ny Shiita nandritry ny roa herinandro. Araky ny filazan'ireo tatitra maro isan-karazany, nodorana sy notafihina ny fiangonan'ny Shiita tany Giza sy Kairo. Ny Al Badil News dia mitatitra ny fijoroana vavolombelon'ny avy tao amin'ny tranom-paty izay milaza [ar] fa novonoina ny iray tamin'ireo olona maty ireo ary ny telo ambiny naratra mafy ny lohany. Nahatonga fahatezerana tanaty aterneto izany tranga mahatsiravina izany.

30 Jona 2013