Tantara tamin'ny Mey, 2013
Vary Feno Cadmium Hita Ao Shina
Vary voapoizin'ny metaly mavesatra cadmium, antsoina amin'ny anaram-bositra hoe “vary cadmium” indray no fanafintohinana farany any Shina, miteraka fikoropahana sy fahatezerana eo amin'ny mpanjifa ao amin'ny firenena. Ny sampan-draharaha misahana...
Nolavin'ny Fitondrana Iraniana ny Filatsahan-kofidin'ireo Kandida Roa Tsara Indrindra.
Nanaitra ny maro indray ny fanirian'ny fitondrana islamika hifehy tanteraka ny fiainana ara-politika rehefa nanambara ny nisafidianan'ity farany ireo kandidà valo monja afaka mifaninana hofidiana ho filoham-pirenena tao anatin'ireo 600 nisoratra anarana tamim-panantenana.
Tranonkala Sosialy Shinoa Miaro Ny Filoha Lefitra Amerikana Amin'ireo Fanehoan-kevitra Mikasika An'i Shina
Niatrika tsikera mamaivay avy amin'ny mpianatra iraisam-pirenena Shinoa ny Filoha Lefitry ny Firenena Amerikana Joe Biden taorian'ny niantsoany an'i Shina ho firenena tsy afaka "mieritreritra zavatra hafa" na "mifoka rivotra malalaka" nandritra ny kabariny fanokafana tao amin'ny Anjerimanontolon'i Pennsylvania.. Saingy namaly bontana ireo Shinoa mpisehatra amin'ny Aterineto, nitsikera ireo mpianatra any ivelany mikasika ny fitondrantenany sy ny fiarovany ny kabarin'i Biden ho mendrika hosaintsainina tsara
Brezila : Nesorin'ny Toby Famokarana Herinaratra Saingy Niverina Eny Amoron-Drano ny Mponina
Nafindra toerana any amin'ny tanàna naorina manokana hipetrahany ireo mponina tamoron'ny rano noho ny tsafodrano nateraky ny fanorenana ilay toby famokarana herinaratra Jirau any Amazona Breziliana. Niverina nanamorona ny rano ihany anefa izy ireo satria tsy mety aminy ilay fomba fiaina vaovao. Nahatonga fisalasalana ho an'ireo mponina amoron'ny rano ity seho ity satria mampanahy azy ireo ny ho avy, rahatrizay ka vita ny asa fanorenana ary tsy hisy intsony ny asa.
Nandritra Ny Roa Herinandro, Nidongy Tsy Namoaka Vaovao Mikasika Ny Filoha Ireo Media Tao Liberia
Nofaranan'ireo mpanao gazety tsy miankina Liberiana efa ho roa herinandro izay ny fandàvana ny hamoaka vaovao mikasika ny Filoha Ellen Johnson Sirleaf, fampanginana napetrak'izy ireo ho an'ilay mpitarika noho ny tsy nahavitàny nanameloka ny fanehoan-kevitry ny talen'ny fiarovana azy nanondro ny mpanao gazety ho "mpampihorohoro".
Ireo Olo-Miavaka Tsy Nampoizina Sy Ireo Vehivavy Mihazakazaka Ho Filohan'i Iran
Iraniana an-jatony be fanantenana, ao anatin'izany ny vehivavy telopolo, no nisoratra ho kandidà mba hisolo ny Filoha Mahmoud Ahmadinejad amin'ny fifidianana ho avy ny 14 Jiona 2013 na dia tsy manam-bintana ny ho voafidy aza ry zareo
Nikaragoaiana Miaro Ny Lalàna Manohitra Ny Herisetra Atao Amin'ny Vehivavy
Ny volana Aprily , natomboka tao amin'ny tambajotra sosialy ny fanentanana iray mitondra ny lohateny hoe "Manohana ny Lalàna 779 aho" mba hangatahana ny hanajàna ny "Lalàna Manontolo Hanoherana ny Herisetra atao amin'ny Vehivavy" manoloana ireo fanavaozana marobe naroson'ireo mpitarika fivavahana sy mpikambana ao amin'ny Ambaratonga ambony eo amin'ny Fitsarana (CSJ) .
Però: Fitokonana Tao Iquitos Hanoherana Ny Kolikoly
Fitokonana iray nandritra ny 24 ora tao amin'ny tananan'i Iquitos, ao amin'ny faritra Amazona Peroviana no nikendrena hisarihana ny saina amin'ny fihetsika mampiahiahin'ny Governemantam-paritr'i Loreto ary ny fomba fikirakiran'ny Fahefàna Mpanao Lalàna an'ireny tranga ireny
Miampanga Mpanao Gazety ao amin'ny Twitter ny Filohan'i Panama
Matetika loatra ny Filoha Ricardo Martinelli (@rmartinelli) [es] no mahatezitra ny mpiserasera Panameana noho ny fisiahana mampiady hevitra sy mampiady tsotra izao, ary tonga hatramin'ny fanompana aza. Ny ohatra akaiky indrindra...
Fisidinana Tamin'ny Voromby Tsy Miankina Nanozongozona Ny Fitondrana ao Costa Rica
Nanozongozona ny fiadidiana ny filoha sy ny firafitry ny mpiara-miasa aminy ny vaovao fa nanome fiaramanidina manokana hisidinan'ny filoha Laura Chinchilla ho any Però ny orinasan-tsolika iray. Tamin'ny voalohany ny anton-dia dia...