Tantara tamin'ny Avrily, 2012
Kioba: Maneho Hevitra Momba Ny Famotsorana an'i Ferrer García Ireo Any Am-pielezana
Nafahana tao anatin'iny faran'ny herinandro iny ilay voafonja noho ny fnehoan-keviny , Jose Daniel Ferrer Garcia. Mitondra fanamarihana momba izay fivoaran-draharaha vao haingana izay ireo bilaogera any am-pielezana
Iran: Mpamafa Làlana Nahita 500.000 Dolara Amerikana Ka Namerina Izany Tamin'ny Tompony
Mpamafa làlana iray antsoina hoe Ahmad Rabani avy ao Bojnourd, 700km miala an’i Tehran, no nahita 1 lavitrisa Toman (eo amin’ny 570.000 dollars Amerikana eo) ary namerina izany tamin’ny tompony. Ho fisaorana azy, dia nomena 200.000 Toman (120 dollars Amerikana) izy ho valisoa.
Kenya: Tanora Afrikana Efatra Mijoro Manohitra Ireo Fitsaratsaram-poana Ataon'i Hollywood
Taorian'ny nijereny lahatsary iray novokarin'i MamaHope manasongadina ankizilahy kely iray 9 taona mitantara sarimihetsika "commando" dia nanatona an'i MamaHope ny tovolahy 7 avy ao Kenya mba hizara izay fomba fijerin-dry zareo ny saimihetsika vokarina avy any Hollywood : ho azy ireto, dia ny fitsaratsaram-poana entin'ireo horonantsary maneho an'ireo lehilahy mainty hoditra.
<< Nahazo >> Ny Tambajotra Sosialy Ny Zava-dozan'i Almansa
Inona no antony ankalazan'ireo avy ao Valence miteny "catalane" ny 25 Aprily? Fanazavàna.
Vohitr'i Ségou: Isan'ireo Mpifaninana Amin'ny Dingana Famaranana Amin'ny BOB I Boukary Konaté
Misy galona hafa indray ny satrok'ilay mpikambana ao amin'ny tetikasan'ny Rising Voices sady mpandika tenin'ny Global Voices amin'ny teny Frantsay Boukary Konaté amin'ity taona ity. Tafiditra ao anaty lisitr'ireo hiatrika famanranana amin'ny Bilaogy Tsara indrindra (BOB) i Boukary, hetsika isan-taona karakarain'ny Vondrona Media Deutsche Welle hanomezana maripankasitrahana ho an'ireo bilaogy sy ireo mpitoraka bilaogy.
Guinea-Bissau: Taorian'ny Fanonganam-panjakàna,Nosamborina Ary Nodarohan'ny Miaramila Ilay Mpitoraka Blaogy Malaza
Aly Silva dia iray amin'ireo mpitoraka blaogy malaza indrindra, raha tsy izy mihitsy no malaza indrindra, any amin'ny firenena kely andrefan'Afrika, ahitàna mponina 1 tapitrisa monja (jereo ny tafatafa nataon'ny Global Voices taminy). Olona miteraka adihevitra izy any amin'ilay firenena, satria tsy manafina ny fironany ara-politika. Nefa tsy mbola manam-paharoa izy raha resaka faharetana, fahavitrihana mamoaka lahatsoratra, ary ny fahazotoany manoratra blaogy.
Syria: Nanao “Fiaikena” Tamin'ny Fahitalavitra Ilay Mpikatroka Ali Mahmoud Othman
Nosamborina ilay mpaka sary sady mpikatroka Ali Mahmoud Othman, lehiben'ny birao fampahalalam-baovao an'i Baba Amr ao Homs, tamin'ny 28 Martsa. Mihevitra ireo mpikatroka namany fa niaritra fampijaliana mafy izy hatramin'izay nisamborana azy izay. Nanambara...
Mpitsoa-ponenana: Media Sy Teknolojia An-tSerasera Hikarakaràna ny Mpitsoa-ponenana
Fikambanana roa samihafa no mifantoka amin'ny tombontsoa sy ny vokatsoa azo avy amin'ny fampiasana ny Media sy ny teknolojia an-tserasera ho entina manampy ny mpitsoa-ponenana hanatsara ny fiainany.
Tonizia: Gidraka Momba Ny Hoavin'ny Televizionam-Panjakana
Tonga amin'ny famaranana azy tamin'ny 25 Avrily teo ny fitokonana mipetraka naharitra valo herinandro teo ivelan'ny biraon'ny televizionam-panjakana tao Tonizia. Nodradradradrain'ny mpanao fihetsiketsehana ny “fanadiovana” azy
Teny: Ireo Feo Dizitalin'ny Bésiro (Chiquitano)
Vao haingana izay dia nanomboka tetikasa antsoina hoe Monkox Bésiro ny vondronà mpandalina ny teny any Santa Cruz, Bolivia ho fomba iray hamelomana indray ny teny Bésiro (Chiquitano) avy amin'ny alalan'ny fampiasàna ireo fitaovana mediam-bahoaka dizitaly. Ho fanampin'ny fanokafana kaonty Twitter sy Facebook hamporisihana ny fandraisana anjara manerana ireo vondrom-piarahamoniny, nampiasa podcasts am-peo izy ireo hizarany ny feon'ny tenin-drazany.