Tantara tamin'ny Marsa, 2012
Ghana: Ampiasaina Ny Fifampitam-baovao Antserasera Mandritra Ny Fifidianana 2012
Efa vonona ny Ghaniana hiatrika fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka izay hotontosaina amin'ny 7 Desambra 2012, nampahafantatra ny fanapahan-keviny miompana amin'ny fifampitam-baovao antserasera ny fikambanana BloggingGhana izay mikendry hampiofana ireo mpanohana ny fifidianana amin'ny fampiasana ireo fitaovana...
Bahrain: Mibitsika Manohitra Ny Formula 1
Raha efa mivonombnona ery i Bahrain hampiantrano ny Grand Prix, manomboka ny 20 hatramin'ny 22 Aprily, ireo mpiondana aterineto kosa dia mifamory mba hanafoanana ilay fifaninanana fiarakodia amin'ny filazana fa mbolamitohy ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona atao amin'ireo mpanao hetsi-panoherana mikatsaka zo demaokratika msimisy kokoa ao amin'ity firenena Arabo ity. Mona Kareem dia mitondra fanazavana amin'ny fanentanana iray ao amin'ny Tewitter mba hisarihana ny saina hibanjina azy ity.
Rosia: Ny Fiainan'ny Silamo Ankehitriny Ao Mosko – Ny Zava-misy
Ny fitomboan'ny mponina silamo ao Moskoa dia maneho ny lalana izoran'ny foko sy finoana Rosiana eo anivon'ny tantara sy zava-nisy izay nanova ny fijerin'ny Rosiana sy ny fandraisany ny vahiny, izay namolavola ny fomba teo amin'ny fiarahamoniny sy ny politikan'ny governemantany ankehitriny momba azy ireny
Zon'Olombelona An-Tsarintany Ao Kambodza
Mampiasa sarintany an-tserasera ny mpiaro ny zon'olombelona any Kambôdza hanangonana antontan-kevitra, hanaraha-maso ary hampisehoana ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona manerana ny firenena. Sithi na ny vavahadin-tseraseran'ny mpiaro ny zon'olombelona dia manana...
Espaina: Fitokonana Faobe Taorian'ny 100 Andro Niasan'ny Governemanta
Taorian'ny fahatapahan'ny famatsiam-bola ho an'ny tolotra ara-tsosialy, ny fampianarana, ny fikarohana sy ny fampandrosoana, ny fahasalamana ary ny angovo azo havaoziana, ary indrindra ihany koa ny fikendrena ny mpiasa amin'ilay Fanavaozana...
Iran: Hitondra Fiovàna Ve Ny Fanalefahana Ny Sazy Amin'ny Aterineto?
Ny Departemanta Amerikana miadidy ny Kitapom-bola dia nanalefaka ireo sazy ao anatin'ny lisitr'ireo tolotra aterineto ahitàna ny Yahoo Messanger, Google Talk, sy Skype. Na dia niarahaba ilay vaovao ihany aza, dia tsy dia nafana loatra ny fientanentanana nasehon'ireo Iraniana tamin'izany.
Goatemalà: Diaben'ny Tambanivohitra Sy Ny Vazimba Teratany Hiarovana ny Taniny
An'arivony ireo Vazimba Teratany sy campesinos (tambanivohitra) goatemalteka no nandray anjara tamin'ny diabe naharitra enina andro hiarovana ny taniny, hanoherana ny famindra-toerana, ary miantso ny ijerena ny lohahevitra hafa misy...
Madagasikara : fandripahana tamin'ny 1947, hatramin'izao dia tsy mbola fantatra ny antsipirihan'izay nitranga
Ny vohikala TanaNews no mitatitra fa nangatahin'ny Praiministra Beriziky ny hampodian'ny Frantsay ireo rakitry ny tantaran'i Madagasikara mikasika ny fandripahana olona mahatratra 100 000 isa tamin'ny taona 1947 [fr] tamin'ny ho...
‘Mujeres Construyendo': Fampivoarana Ny Vehivavy, Bilaogy Iray Amin'ny Fotoana Iray
Mujeres Construyendo, sehatra voalohany ho an'ireo vehivavy bilaogera amin'ny teny Espaniola dia te-hamadika ireo vehivavy miteny Espaniola ho lasa mpamorona votoaty ety anaty aterineto. Mitafa amin'ny mpamorona azy io izahay, Claudia Calvin, mikasika ny firoboroboan'ny vondrom-piarahamonin'ny bilaogera.
Shina: Resaky Ny Mpiserasera Momba Ny Zanabolana Alefan'i Korea Avaratra
Nanambara i Korea Avaratra Tamin'ny 27 Martsa 2012 fa tsy hilaozany ny tetikasany handefa zanabolana amin'ny tapaky ny volana Aprily na dia eo aza ny fitsidihana avo lenta nataon'ny Filohan'i Etazonia Barack Obama tao Korea...