Tantara tamin'ny Novambra, 2011
Ejipta: Miteraka Fanontaniana Momba An'i Etazonia Ny Entona Mandatsa-dranomaso Tonga Tamin'ny Sambo
Nampisavoritaka ny mpiondana aterineto ny fahatongavana entana miaty baomba mandatsa-dranomaso tao Ejipta avy any Etazonia. Naman'ny Revolisiona Arabo vei Etazonia sa mpanohana ireo Arabo mpanao jadona?
Teny: Hafanàm-po Anaty Aterineto Hanavotana Ny Teny Chakma
Ny teny Chakma izay teny ifangaroan'ny endri-tsoratra Indiana sy ny Eraopeana tenenin'ny olona manodidina ny 310.000 any atsimo atsinanan'i Bangladesh ary 300.000 hafa any India amin'ny ankamaroan'ireo any amin'ny ilany Atsinanan'i India. Ny fanoratra azy dia mampiasa ny endri-tsoratra Chakma izay miala aina noho ny ankamaroan'ireo Chakmas tsy manana fahafahana mianatra ny tenin'izy ireo akory any an-dakilasy.. Saingy ireo olona avy amin'ny Chakma dia mampiasa ny media sosialy sy ny haitao hita anaty tranonkala mba hanairana ny saina sy hanelezana ny tenin-dry zareo.
Israely: Ampitahorin'i Netanyahu Hosoloina Dokotera Indiana Ireo Mpianatra Ho Mpitsabo
Taorian'ny volana maro nisianà hetsi-panoherana, Benjamin Netanyahu, Praiminisitra Israeliana dia nanolo-kevitra ny tokony hanoloana ireo mpianatra ho mpitsabo aminà mpiasa vahiny mpila ravinahitra avy any India raha toa ka tsy hita izay marimaritra iraisana amin'izy ireo.Naneho hevitra tany anaty aterineto ireo mpianatra ho mpitsabo, miaraka aminà vazivazy sy esoeso.
Venezoelà: Atao Ao Caracas Ny Vovonana Manerantanin'ny Hosodoko Atao Amin'ny Vatana
Mandray ny Vovonana Manerantanin'ny Hosodoko atao amin'ny Vatana, amin'ity taona ity, i Caracas ary ifampizarana amin'ny valan-tserasera ny endrika sasany mety handona avy amin'izany zavakanto izany. Ao anatin'izany famoronana izany dia nomena sehatra manokana amin'ny fomba fanehoana ara-javakanto atao amin'ny vatan'olombelona ny vazimba ao Venezoelà.
Shina: Mpiasam-Bahoaka Namono Tena Rera-tsaina Ve Sa Norerahan-tsaina?
Araka ny fanadihadiana nataon'ny manampahefana sinoa dia toa hoe mihabetsaka ireo mponina Sinoa no tratran'ny aretin-tsaina amam-panahy. Malaza moa fa rehefa nozahana dia marary saina amin'ny karazan'aretina toy ny Fikorontanana...
Lahatsary: Manome Mari-pankasitrahana An'ireo Tanora Mpamokatra Horonantsary Ny Plural+ 2011
Nahazo mari-pankasitrahana tany New York ireo tanora manerana izao tontolo izao noho ireo horonantsary fohy manainga ny fisainana anehoan-dry zareo ny tolokevitr'izy ireo mba hahatonga ny ny fiaraha-monina hilamina kokoa sy hanana kolontsaina maro amin'ny alàlan'ny firesahana io lohahevitra toy ny fahasamihafana, fifindra-monina sy ny farotsahana an-tsehatra amin'ny lafiny sosialy.
Emira Arabo Mitambatra: Nantsoina Hatao Fanadihadiana Ilay Vehivavy Mpampiasa Twitter Atao hoe Rowda Hamed
Vehivavy iray mpampiasa Twitter, antsoina hoe Rowda Hamed (@Rowda_Hamed), avy ao amin'ny Emira Arabo Mitambatra no nibitsika ka nilaza fa nahazo fiantsoana hatao fanadihadiana. Izy no iray amin'ireo mpampiasa Twitter vitsivitsy avy ao amin'ny Emira Arabo Mitambatra mpanohana ireo mafàna fo miisa dimy izay voafonja ary nanao fitokonana tsy hihinan-kanina vao tsy ela akory izay. Indreto ny hetsika tao amin'ny Twitter momba ny fantsoana azy.
Qatar : Mizarazara Be Ny Hevitra Mikasika Ny Fivarotana Sakafo Misy Kisoa
Niely be ny vaovao tao Qatar fa azo vidiana ao amin'ny firenena amin'izao fotoana izao ny sakafo misy kisoa, na dia avy amin'ny orinasa mpanijara toka " Qatar Distribution Company" irery ihany aza, ary ho an'ireo manana fanomezan-dalàna hivarotra zava-pisotro misy alikaola irery ihany. Fanadihadian'i Omar Chatriwala.
Espaina: Resabe Manodidina Ny Fifidianana Parlemantera
Ny PP (Popular Party) ao Espaina no nandresy tamin'ny fifidianana tamin'ny ampaham-bato be indrindra. Chris Moya no miteny amintsika mikasika ireo resabe sasany tany amin'ny biraom-pifidianana.
Resadresaka Niarahana Tamin'i Izumi Mihashi Avy Amin'ny GV Lingua Japoney
Ny momba an'i Izumi, ny fahombiazany amin'ny fitarihany ny fakàna mpikambana vaovao sy ny fanangànana ny ekipa misahana ny Lingua Japoney, ny dingany manaraka, sy ireo eritreritra mikasika ny manodidina ny Aterineto any Japana.