Jona, 2010

Tantara tamin'ny Jona, 2010

Singapore: Manamafy ny fepetra miady amin'ny fanariana fako eny an-dalambe ny governemanta

Na dia misy aza ireo lalàna henjana mandràra ny fanariana fako eny an-dàlana any Singapore, mbola miakatra ihany ny isan'ireo mpandoto nandritra ireo taona vitsivitsy farany teo, ka nanery ny governemanta any Singapore hanamafy ny fanentanana amin'ny tsy fanariana fako eny an-dalambe. Hisy fanentanana ho fanomezana henatra mahery vaika kokoa hatao ary hisy ireo “Masoivohon'ny fahadiovana” hofanina. Maneho hevitra ny mpitoraka blaogy

30 Jona 2010

Maraoka: Ny fanandràmana ny henné

Efa an'arivontaona maro no nisy n y henné. Mba nanandrana izany voalohany indrindra tany Maraoka i Emily, mpirotsaka antsitrapo avy amin'ny Peace Corps vao tsy ela akory izay. Entin'i Jillian C York amintsika ny tontolo andron'i Emily.

29 Jona 2010

Tontolo: Miaro ny Zon'Olombelona amin'ny alàlan'ny videon'olon-tsotra

Ny famokarana video ho fiarovana ny zon'olombelona dia mety hifototra sy tahotra hanohina ny zony any amparany ho an'ireo olona miseho na mandray anjara amin'ilay video. WITNESS' The Hub dia mizara amintsika ny fomba ahazoantsika mamokatra video fiarovana ny zon'olombelona ampitàna hafatra no sady manakely ny mety ho fiantraikany amin'ireo rehetra tafiditra amin'izany.

28 Jona 2010

Ejipta: Homboy i Scheherazade

Voatsipaka ambavafo ny fahalalahana miteny ao Ejipta. Ao anatina andiana fanenjehana manoratra, Scheherazade ao amin'ny Alina 1001 Nights ankehitriny dia voapanga ho miresa-betaveta ka misy ireo mpahay lalàana maniry ny hahafatesany - ao anatin'ny antson'izy ireo hanàkana ilay boky!

28 Jona 2010

Alzeria: Mbola manantena hatrany miaraka amina voromahilala ambinina eo anilan'izy ireoAlgeria: Still Hoping

Taorian'ny fahareseny teo anatrehan'i Slovenia, dia nahazo hery ry zareo Alzeriana ny 18 Jona rehefa nifanandrina tamin'ny ekipa Anglisy izay natoky tena ny handreseny. Raha alaina sary an-tsaina ny fifanandrinan'ny vendrana amin'ny ekipa mahay, dia nanome fanantenana ireo mpankafy an-tapitrisany izay manantena fa hahita ny ekipa Maitso handingana ny fihodinana voalohany.

26 Jona 2010

Ejipta: Fa iza i Mister Ejipta?

Tarek Mohammed Abdel Gawad, 26 taona, no voahosotra ho lehilahy tsara tarehy indrindra any Ajipta tamin'ity taona 2010 ity (Mister Ejipta 2010). Izy koa no solontenan'i Ejipta tamin'ny fifaninanana Mister...

24 Jona 2010