Janoary, 2010

Tantara tamin'ny Janoary, 2010

Avatar: Momba sa manohitra ny zon'ireo Indizena?

Miresaka momba ny lohahevitra ao anatin'ilay sarimihetsika Avatar niaka-daza maneran-tany, novokarin'i James Cameron ny mpitoraka blaogy maro. Manavakavaka ve izy ity amin'ny fomba famaritany ny foko indizena iray avy any ivelan'ny tany?

28 Janoary 2010

Haiti: Olo-malaza Haitiana nambara fa maty

Mbola sarotra dia sarotra ny fifandraisana anatiny sy ivelan'i Haiti ary maro amin'ny olona no mbola tsy afaka nahazo vaovao - raha misy - momba ireo tapaka sy namana, tonga ireo vaovao, mahaliana ihany, avy amin'ireo mpitoraka blaogy ivelan'i Haiti, momba ireo olo-malaza tsy hita na efa voalaza fa maty.

26 Janoary 2010

Congo (RDC): Ny vokatry ny tsy firaharahiana

Mahafinaritra ny Congoblog. Mendrika daholo ny lahatsoratra tsirairay, indreto ny tena nanaitra hatramin'ny fiatombohan'ny volana janoary teo: avy any Kisangani, Boyomais mitaraina ny amin'ny zavatra mampalahelo iainana any amin'ny toeram-pitsaboana ...

22 Janoary 2010

Torkia: Taona fahatelo namonoana an'i Hrant Dink

Telo taona androany, dia nisy nitifitra tamin'ny basy teo ivelan'ny birao fanaovan-gazety fiasany tany Istanbul, Torkia, ilay mpanao gazety Tiorka-Armeniana Hrant Dink . Tsy noraharahiana izy, nankahalain'ny Tiorka sy ny Armeniana noho ireo...

22 Janoary 2010

Mpanoratra misongadina: Hisham

Amin’ny maha dokoterra monia sy miasa any Frantsa azy, i “Hisham” (Hisham Khribchi) dia iray amin’ireo mpikambana mpanorina ny vohikala Talk Morocco, izay miezaka ny ho seha-pifanakalozana handrisihana ny fifampiresahana avo lenta, misokatra ary mendri-kaja momba ny olana mahakasika an’I Maraoka sy ny Diaspora

17 Janoary 2010

Karaiba: Jeritodika isam-paritra 2009

Amin'izao fankalazan'ny Global Voices ny faha-dimy taonany izao, dia izao no fotoana hanararaotina hanazavàna ny antony anaovantsika izay ataontsika sy izay fiovana vitan'ny asantsika.  Araka ny namintinan'ny mpiara-miasa amiko Jillian...

16 Janoary 2010