Tantara tamin'ny Desambra, 2009
Tonizia : hetsika naoty fotsy hanoherana ny sivana
Sary famantaran'ny Hetsika Naoty Fotsy Tamin'ny zoma 25 desambra no namoahan'ny mpamaham-bolongana Toniziana ny fanentanana Naoty Fotsy hanoherana ny sivana izay miitatra dia miitatra tokoa any Tonizia amin'izao fotoana izao....
Rwanda: Video-an'ireo mpirotsaka an-tsitrapo
Misy video mitohitohy napetrak'i kdarpa ao amin'ny YouTube, izay manasongadina ireo mpirotsaka an-tsitrapo sy ireo olona nihaona tamin'izy ireo nandritra ny fandalovan'izy ireo tany Rwanda sy niarahan'izy ireo niasa tamin'ny mponina tao an-toerana.
Iran: Manohana ilay mpianatra voafonja ireo lehilahy any Hijab
Lehilahy Iraniana anjatony no manao fitafim-behivavy any Hijab mba hanohanana an'i Majid Tavakoli, mpianatra voasambotra tamin'ny 7 Desabra. Misy video YouTube manangona sary sasany amin'ireo mombamomba ny tena [profile]ao amin'ny FaceBook.
Miara-miasa amin'ny Google ny Global Voices ho an'ny fifaninanana fahalalàhana maneho hevitra
Misokatra androany (29 Desambra 2009) ny fisoratanana anarana ho an'ny fifaninanana Breaking Borders, fifaninanana vaovao noforonin'ny Google sy Global Voices mba hanomezam-boninahitra ireo tetik'asa malaza amin'ny tanterahin'ireo olon-tsotra na vondrona mampiseho herim-po, tanjaka ary fiketrehana amin'ny fampiasàna aterineto mba hampielezana ny fahalalàhana miteny.
Kazakhstan: mpanao gazety novonoina, tsy miankina amin'ny asa
Sayat Shulembayev, 28 taona , mpanao gazety ao amin'ilay vohikalam-baovao sy horonantsary “Stan” dia novonoina tamin'ny fomba mahatsiravina tany Almaty. Araka ny lazain'ny mpamorona ny “Stan” , nanofa efitra iray...
Maneran-tany: “Mi-tweet” ho an'i #Gaza
Ho fahatsiarovana ny tsingerin-taona voalohan'ny fanafihan'ny Israely an'i Gaza tamin'ny Desambra 2008, mafana fo maro no nanomana ny fanentanana “tweet for Gaza” ao amin'ny Twitter. Manana betsaka amin'izany Jillian C. York
Danemarka: Miàla any ireo mpitaky hetran'ny toetr'andro
Ny mpitaky hetran'ny toetr'andro dia vondron'olona avy any Danemarka sy Afrika izay manao fanamby ny fitakiana amin'ireo firenena vaventy ny handoavan'izy ireny ny hetran'ny toetr'andro amin'ireo firenena an-dàlam-pivoarana.
Rosia: Tantara telo momba fahantrana lalimpàka
Ny mpanao gazety an-tsary Rosiana Oleg Klimov dia mizara tantara telo momba ny fahantrana lalimpàka sendra reny raha iny niandry fiaran-dalamby tao amin'ny fiantsonan'ny firan-dalamby tao Syzran, tanàna Rosiana iray ao amin'ny faritr'i Samara .
Ejipta: Synagoga potika…Synanjavona
Tamin'ny taona 2008 dia tojo trano fivavahana jiosy iray i Moftasa, synagoga zary lasa foiben-toeran'ny Antoko Demokraty (National Democratic Party) mitondra any Ejipta amin'izao fotoana. Ny tena mahavariana dia hoe...
Repoblika Dominikana: Natao veloma farany i Luis “Rahorohoro” Dias
Nanao veloma an'ilay mpitendry sy mpamoron-kira Luis “Rahorohoro” Días [es] ny Repoblika Dominikana, maty vokatry ny areti-po sy olana teo amin'ny voa tany Santo Domingo ny 08 desambra lasa teo...