Novambra, 2008

Tantara tamin'ny Novambra, 2008

Isiraely: vaovao farany momba ireo takalon'aina jiosy any Mumbai

Tsy dia fantatra loatra hatramin'izao ny manjo ireo takalon'aina nandritra ny fanafihana ny Ivotoerana Jiosy Chabad ao Mumbai. Chabad moa dia iray amin'ireo antokom-pinoana jiosy Hasidika Ôrthôdôksa mipariaka indrindra. Ny vaovao tena farany indrindra re mikasika ireo takalon'aina jiosy dimy voatazona tao moa dia ny fahafatesan'izy ireo, hoy i Gilad Lotan. Vakio ary ny fandehan'ny raharaha.

28 Novambra 2008

Mumbai: May ny Taj Hotel

Misy ny maneho ny sary nopihany amin'ny flickr sy any amin'ny toeran-kafa ankoatra izay asehon'ny fampahalalam-baovao mahazatra. Sary maro dia maro ohatra no asehon'i Arun Shanbhag amintsika ka hatramin'ny ra...

28 Novambra 2008

Nikaragoà: Nivelatra noho ny fiaraha-miasa ny tontolom-bolongana

Nihanivelatra tao ho ao ny tontolom-bolongana Nikaragoana ary isaorana noho izany ny mpamaham-bolongna samihafa sy ireo mpampiasa ny Twitter. Indro ny resadresaka fohifohy niarahana tamin'i Alvaro Berroteran ilay nisantatra tetikasa iray antsoina hoe Nicaragua y Su Blog izay nanandratra ny bolongana Nikaragoana. Niara-niasa tamin'ny hafa kosa aloha izy tamin'ny fananganana bolongana iraisan'olona maromaro sy nametraka vondrona Facebook vaovao.

25 Novambra 2008