Manao ahoana izany mihary izany ho an'ny vehivavy iray ao Afghanistan fehezin'ny Taliban

Women in Afghanistan.

Vehivavy any Afghanistan. Pikantsary avy amin'ny lahatsary ‘Women’s rights being rolled back in Afghanistan – BBC News’ (Voahidy ny zon'ny vehivavy any Afghanistan – BBC News) ao amin'ny fantsona BBC News YouTube. Fampiasana ara-drariny.

Nosoratan'i Arezo tamin'ny taona 2025 ity lahatsoratra ity. Navoaka eto indray izany noho ny fanekeny azy ho ao anatin'ny andiany manokana milaza ny tantaran'ireo vehivavy tanora sy zazavavy ao Afghanistan taorian'ny fandrobam-pahefana nataon'ny Taliban tamin'ny Aogositra 2021.

Hatramin'ny nibodoan'ny Taliban an'i Afghanistan tamin'ny volana aogositra 2021, dia navitrika ry zareo nanitsakitsaka ny zon'olombelona sy nandrava ireo rafitra miaro izany. Ary tena mihatra izany tamin'ny nametrahan'ny Taliban lalàna henjana izay saika nandrava ny zo sy ny fahafahana fototra ho an'ny vehivavy sy zazavavy.

Anisan'ny lalàna ny fanakatonana sekoly, oniversite ary foibe fanabeazana ho an'ny vehivavy sy zazavavy. Ny iray hafa dia ny fandraràna ny vehivavy tsy hahazo hiasa ao amin'ny governemanta sy amin'ny sehatra tsy miankina. Iray amin'ireo tsy rariny sy fampahoriana lehibe indrindra mihatra amin'ny vehivavy Afghan ity fanesorana ny vehivavy amin'ny sehatra ara-toekarena sy ny seha-panjakana ity.

Na dia nisy fanomezan-toky aza tamin'ny voalohany tamin'ny taona 2021 “hiarovana ny zon'ny vehivavy”, dia lalàna nanaisotra ny zo maha-olona sy anaty fiarahamonina ny vehivavy ihany no nataon'ny Taliban. Novan-dry zareo ho fonja ho an'ny vehivavy i Afghanistan.

Nanomboka tamin'ny tsy maintsy anaovana hijab ka hatramin'ny fandraràna ny vehivavy tsy hahazo mivoaka ny trano tsy misy mahram (mpiambina lehilahy) miaraka aminy, niniana natao ireo lalàna rehetra ireo hamerana ny fivezivezen'ny vehivavy sy tsy ivoahany ny tranony. Amin'izao fotoana izao, mahalana ny ahitana ny vehivavy sy ny zazavavy eny amin'ny ankalamanjàna na sehatra iraisana.

Amin'ny ankapobeny, nezahina ny lalàna Taliban hanesorana ny zon'ny vehivavy Afghan sy hanesorana ny fahafahan-dry zareo mivelatra sy mivoatra.

Fiainana amin'ny maha- vehivavy mpandraharaha

Tao anatin'izany toe-javatra izany, amin'ny maha-vehivavy Afghan ahy, niaina sy niasa tao anatin'ny tontolo mihidy sy mampidi-doza toy izany, dia nanapa-kevitra ny ho lasa vehivavy mpandraharaha ao Afghanistan aho.

Tamin'ny taona 2023, nanomboka ny orinasako tao amin'ny sehatry ny fanaovana savony sy plastika aho ary namorona asa ho an'ny vehivavy enina sy lehilahy valo.

Niatrika sakana sy olana maro aho hatramin'ny voalohany.

Rehefa nitsidika ny sampan-draharaham-panjakana sy tsy miankina aho mba hisoratra anarana sy hameno ny momba ny asako, dia niatrika fijery hafahafa sy fanontaniana manelingelina sy tsy nilaina akory aho. Rehefa any am-pivarotana hijery ny tsena indray aho hanome fahafaham-po ny mpanjifa, dia nijery ahy tamim-panamavoana sy tamim-panomezan-tsiny ry zareo.

Saingy tsy kivy mihitsy aho, ary na dia teo aza ireo sakana ireo, dia nanohy niady tamin'ny fanavakavahana noho ny maha-vehivavy ahy aho.

Isan'andro aho nandeha niasa tamim-pahatahorana sy tebiteby. Afa-miditra ao amin'ny birao amin'ny fotoana rehetra ny tafika Taliban ary tsy mitsahatra ny manontany amiko momba ny hijab-ko na zavatra hafa.

Rehefa nitantana ny biraoko aho, dia nangataka ahy izy ireo ny handroaka ny vehivavy mpiasa rehetra ary hamela ny lehilahy hanohy hiasa. Na dia niezaka nampitony azy ireo aza aho tamin'ny fanasarahina toerana ho an'ny vehivavy sy ho an'ny lehilahy, dia mbola nitady fialan-tsiny ihany izy ireo mba handrara ny fisian'ny vehivavy.

Rehefa afaka kelikely, dia nosamborina aho ary nafindra tany amin'ny sampan-draharahan'ny heloka bevava mavesatra. Nohazonina nandritra ny fotoana maharitra aho ary tsy nanehoana fanajana amin'ny maha-olombelona, na ​​​​vehivavy, na mpandraharaha.

Ny hany antony nandefasana ahy tao dia noho ny fiezahana hahazo fivelomana sy hamorona asa ho an'ny hafa.

Fa rehefa navotsotra ihany aho nony ela ny ela noho ny antoka nomen'ny fianakaviako, dia nahatsapa tsy fanajana sy fahafaham-baraka lalina izay tsy hohadinoiko mandrakizay.

Fameperana tsy misy fiafarany sy fahaverezan'ny fanantenana

Tsy manam-piafarana ny fameperana ny vehivavy Afghan eo ambany fitondran'ny Taliban, indrindra ho an'ireo manonofy hahaleo tena sy havitrika. Ao anatin'izao vanim-potoana izao, tsy mahita hoavy mamirapiratra izahay.

Voafetra mafy avokoa ny fanabeazana, ny asa, ny fivezivezena malalaka, ary na dia ny zo hisafidy ny akanjonay aza.

Mihamaizina isan'andro ny hoavin'i Afghanistan – indrindra ho an'ny vehivavy.

Tsy ahitana afa-tsy fanaintainana, fijaliana ary fameperana ny fiainana eo ambany fitondran'ny Taliban .

Fanokana-monina izany ho an'ny vehivavy Afghan, fa tsy ny fahalalahana ihany no nesorina taminay fa na dia ny fanantenana ny ampitso tsara kokoa aza.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.