Sri Lanka: Ny tolona hànana zo hanàla zaza

Photo by Cottonbrostudio via Pexels. Used under a Pexels License.

Saripika an'i Cottonbrostudio tao amin'ny Pexels, ampiasaina miaraka amin'ny  lisansa Pexels.

Ity lahatsoratra an'i Mia Abeyawardene ity dia nivoaka voalohany tao amin'ny Groundviews, tranonkala fanaovan-gazetin'olontsotra nahazo loka tao Sri Lanka. Dika iray nasiana fanovàna no averina avoaka eto ambany ho ampahany amin'ny fifanarahana hifampizara votoaty amin'ny Global Voices.

Ao anaty firenena iray izay mbola heloka ny fanalàna zaza, araka ireo lalàna efa faha-zanatany tamin'ny 1883, naharitra ela ny nandàvan'i Sri Lankà ny zo fototra ho an'ny vehivavy ho afaka handray fanapahankevitra momba ny tenany manokana.  Noraisin'ny maro ny tolodalàna vao haingana naroso hanitsiana ireny lalàna ireny, manome alàlana ny fampitsaharana vohoka raha toa ka misy fahasamponana mety tsy hahavelona azy ilay zaza am-bohoka, isan'ireny ilay Sri Lanka Safe Abortion Coalition (SLSAC). Na izany aza, tsy mbola ampy io fanavaozana voafetra io, no sady mampiseho ireo olana ara-drafitra lalina kokoa ny fanilihana ny vehivavy amin'ny fandraisana fanapahankevitra, ny fampivadiana ny zo fototra maha-olona amin'ny resaka fitsaboana ary ny fitohizan'ireo hevi-draikitra sy fifehezan-dehilahy (patriarkà) amin'ny safidy momba ny fiterahana.

Tamim-pitandremana fatratra no nandraisan'ny SLSAC ilay tolodalàna,  tamin'ny fanekena azy io ho toy ny dingana voalohany mety hahatongavana amin'ny rafitra ara-dalàna sy ara-drariny ary feno fangorahana kokoa. Mazava tsara ny hevitra ijoroan-dry zareo. Na izany aza, tena tery loatra ilay fanitsiana naroso. Tsy mijery ny tena zavamisy midadasika kokoa momba izay antony mahatonga ireo vehivavy hitady ny hanàla zaza ilay famerana fotsiny ny fahafahana miditra amin'ny fanalàna zaza ho noho ny tsy fetezan'ny zaza ao am-bohoka, isan'ireny ny tranga fanolànana, ny fifoteran'ny mpiankohonana, ny tsy fahampian'ny fahafahana mahazo fanabeazana aizana, ny fahasahiranana ara-bola na ny safidy tsotra izao tsy hanohy ny fitondrana vohoka.

Kôlejy telo ivondronan'ireo mpitsabo no mitarika ilay fanitsiana: ny College of Community Physicians (ireo mpitsabo eny anaty vondrom-piarahamonina), ny College of Obstetricians and Gynecologists (kôlejin'ireo mpitsabo mpahay ny resaka vehivavy sy vohoka) ary ny College of Pediatricians (kôlejin'ireo mpitsabo zaza). Olana ny fibahanan-toerana nataon'izy ireo tamin'ny fandrafetana io fanitsiana io, na manandanja aza ny firotsahan'izy ireo an-tsehatra. Izany dia ahitàna taratra ny fironana hijery fotsiny ny fanalàna zaza  amin'ny lafiny klinika, tsy iraharahiana ny lafy sôsialy, toekarena ary ny zo maha-olona manodidina ny fahasalamana ara-pananahana.

Ny tena manaitra indrindra, ireo vondrona ara-pitsaboana ireo dia nanaraka dingana tsy nifampidinihany tamin'ireo mpiara-mitan-tsoroka, toy ireo fikambanana mpiaro zom-behivavy, ireo mpisolo tena ny fiarahamonina sivily ary ny ministera misahana ny vehivavy sy ny ankizy.  Tsy fanadinoana fotsiny io fanilihana io, fa fitohizan'ny olana iray efa nanilihana hatry ny ela ireo vehivavy tsy ho anatin'ny fanapahankevitra izay hisy fiantraikany amin'ny fiainany sy ny vatan-dry zareo. Tena mampanahy manokana ny hoe saika lehilahy avokoa no mandray anjara amin'ny fandrafetana ireny tolokevitra ireny, izay manamafy ny fombandrazana patriarka hoe ny lehilahy no manao ny lalàna momba ny vatan'ny vehivavy fa izy ireo kosa tsy manan-kambàra.

Tsy olana ara-medikaly fotsiny ny fanalàna zaza; fa momba ny zo maha-olona koa. Ny fandàvana ny fahafahan'ny olona iray hiditra amin'ny fampiatoana vohoka, indrindra fa amin'ny tranga fanolànana, fifoterana ataon'ny havana akaiky, na toejavatra mety hahafaty ao am-bohoka an'ilay zaza, dia afaka atao ho fomba fikarakarana feno habibiana, tsy manaja ny maha-olona sy manetry. Ireo fikambanana iraisampirenena mpiaro zon'olombelona, isan'izany ny Vaomieran'ny Firenena Mikambana momba ny zon'olombelona, dia nanamafy hatrany hoe ny fanerena ny olona hitondra hatramin'ny farany ny vohoka tahaka izany, dia fanitsakitsahana ny zon'izy ireny hanana fahaleovantena ara-pahasalamana, ny fitoviana ary amin'ny vatany. Ohatra iray tamin'izany, fanitsakitsahana ny zony ilay raharaha manantantara “KL v. Peru” tamin'ny 2001, namoahana didy nandàvana ny fanalàna zaza ho an'ny tovovavy iray 17 taona na dia efa voatily aza fa tratry ny “anencephaly”.

Nanamarika i Uda Deshapriya, mpisolovava, fa ny fametrahana ny fanalàna zaza ho toy ny heloka bevava dia midika fa hatahotra fanenjehana ireo vehivavy, eny fa na dia ny hitady fikarakaràna aorian'ilay fanalàna zaza aza. Mitarika ho amin'ny fahataràn'ny fitsaboana io ary, amin'ny tranga sasany, dia fahafatesana azo nosorohana nanjo ilay reny. Ireo fanilikilihana sy sakana apetraky ny lalàna manodidina ny resaka fanalàna zaza dia tsy hoe fotsiny manimba ny olona fa koa manohintohina ny fahasalaman'ny daholobe.

Na tsy ara-dalàna aza, tsy vitsy ny fanalàna zaza ao Sri Lanka.  Fanadihadiana iray tamin'ny 2010 natao tamina vehivavy 665 izay tsy maintsy nandalo fanalàna zaza ‘notairina’ (induced abortions) no nampibaribary hoe 71 isanjato tamin'izy ireo no efa nahalala olona mpanao izany nialoha ny nandraisany fanapahankevitra, ary 69 isanjato no nahafantatra tamin'ny alàlan'ireo namana na olona teo anivon'ny fianakaviany. Asongadin'ireny antontanisa ireny ireo tambajotra tsy ara-dalàna ianteheran'ireo vehivavy mba hidirana amin'ireo tolotra fanalàna zaza, izay mazàna no loza mitatao ho an'ny fahasalaman-dry zareo sy ny fiarovana azy ireo.

Tato anatin'ny taona vitsy, ny fahafahana mahazo ireo fanafody toy ny Misoprostol, fomba azo antoka sy mahomby amin'ny fanalàna zaza araka ny fomba medikaly, dia nitondra nankany amin'ny fihenàna be tamin'ny fahafatesana mampisalasalan'ny reny vokatry ny fanalàna zaza,  avy amin'ny 13,4 isanjato tamin'ny 2011 lasa ho 4,5 isanjato tamin'ny 2021. Na izany aza, mbola marefo ireny tombony ireny manoloana ny fitomboan'ny fanenjehana azy ho heloka bevava, izay mitohy mitondra ho amin'ny fanaovana fanalàna zaza an-tsokosoko.

Toa hita nihemotra tamin'izay nambarany ny governemanta vaovao tao Sri Lankà, izay voafidin'ny roa ampahatelon'ny maro an'isa niaraka tamin'ny fanomezana toky hitondra fiovàna pôlitika sy ara-tsôsialy. Ny Aogositra 2024, ny fanambaràn'ny  National People’s Power (NPP), dia nahitàna fampanantenana hampihatra ireo tolokevitry ny Vaomieran'ny Lalàna tamin'ny 2012 hanitatra ny sehatra araky ny lalàna ho an'ny fanalàna zaza ka  hampidirana ny fanolànana sy ny tsy fahatombanana henjana mahazo ny zaza ao am-bohoka. Kanefa mbola tena tsy mifanaraka sy tsy misy dikany loatra ireny fanavaozana ireny, tsy mahavàha ny tena filan'ireo vehivavy.

Nifantoka betsaka tamin'ny fampanginana ny feon'ireo mpandàla ny fombam-pinoana nentindrazana ny fandrakofana io fanitsiana lalàna io, ka nanakona ny fandalinana tena nilaina tamin'ilay dingana fanitsiana.  Anjorom-bala mihitsy tanatin'ny adihevitra nasiônaly ireo mpikatroka sy mpiaro ny zon'ny vehivavy, eny fa na ny Ministera misahana ny vehivavy sy ny ankizy aza. Nosoritan'i Deshapriya fa nampiraviravy tànana ny fandraisana andraikitry ny daholobe ny fahanginan'ireo mpampita vaovao sy ny firosoan'ny asan'ny governemanta, izay nitombo hery noho ny fisiana praiminisitra vehivavy.

Mazava ny hevitry ny SLSAC sy ireo mpikatroka miara-dia aminy hoe ny hany làlana tokana hitandroana ny zon'olombelona, hiantohana ny fitoviana, ary hanajàna ny fizakantenan'ireo vehivavy, dia ny fanesorana ny fanalàna zaza ho tsy isan'ny heloka bevava. Ny fanesorana azy tsy ho isan'ny heloka bevava dia midika fanalàna tanteraka ny fanalàna zaza tsy ho ao anatin'ny fehezandalàna famaizana sy fandraisana azy ho toy ny olana iray ara-pahasalamàna – olana iray azo atao tsara ny mitantana azy miaraka amin'ireo fandrosoana ara-pitsaboana maoderina, na dia any an-tokantrano aza.

Alohan'ny hirosoana amin'io dingana io, tsy ilaina ny fiandrasana fotodrafitrasa, na pôlitika vaovao, na fepetra fanampiny. Efa hita ao anaty Lisitry ny OMS misy ireo Fanafody Tena Ilaina ny Misoprostol, ary isan'ny rafitra ara-pahasalamàna ny fandraisana an-tànana ny aorian'ny fanalàna zaza. Tsy noho ireo fameperana ara-medikaly ihany no mbola mampisy ireo sàkana hahazoana izany, fa noho ny pôlitika ara-môraly, ny hevi-draikitra ary ny fifehezan'ny fahefan-dehilahy (patriarka).

Manilika vehivavy marobe, indrindra fa ireo olona tokantena sy tsy mizaka ny maha-izy azy hatrany am-pahaterahany (non-cisgender) ny fandaharanasa fanabeazana aizana ao Sri Lanka, fa mifantoka akaiky amin'ireo vehivavy manambady sy mizaka ny maha-vehivavy azy ao anatin'ny rafitry ny fandrindràna fiainam-pianakaviana. Io fanilikilihana io dia mampitombo ny mety hitondràna vohoka tsy niriana ary mampitombo bebe kokoa ny filàna fikarakaràna ara-pahasalamana feno momba ny ara-pananahana, anisany ny fahafahana manàla zaza.

Manamarika dingana sy ohatra kely iray ilay tolodalàna, saingy tsy ampy. Mendrika misimisy kokoa noho izay fandraisana fanapahankevitra maneritery sy manavakavaka nataon-dehilahy ireo vehivavy ao Sri-Lanka. Mendrika ho azy ireo ny fizakàntena, ny fahamendrehana ary ny zo ho afaka misafidy. Araka ny famaritana mazava nataon'ny SLSAC, zon'olombelona ny zo ara-pananahana, ary tsy ho tratra ny rariny ara-pananahana raha tsy azo ny fanafoanana tanteraka ny fanaovana ny fanalàna zaza tsy ho heloka bevava, ny fampiatiana tena izy ny vehivavy ao anatin'ny fandrafetana ireo lalàna hifehy ny fiainany.

Tsy maintsy akisaka hiala amin'ny fanaovana pôlitika hanarahana maso ny vatan'ireo vehivavy ny fifampiresahana ary ho any amin'ny fanomezana hery azy ireo. Mandra-pahatonga amin'izany, mbola hijanona ho poakaty ny fanavaozana ary tsy ho tratra ny rariny. Amin'ny fanomezana toerana ny feon'ireo vehivavy, fa tsy ny an'ireo mpitsabo ihany, na ireo pôlitisiana, na ireo mpitondra fivavahana, dia afaka atombok'i Sri-Lanka ny fanafoanana ny vokadratsy ateraky ny lalàna iray efa lany andro sy tsy misy dikany intsony.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.