Hiram-pifaharana: vondrom-piarahamonina zanatany Nepal mitolona hikajy ny vakoka ara-javamanenony

Pilru - a terracotta musical instrument

Pilru, zavamaneno vita amin'ny tanimanga amboarin'ireo Tharus sy Kumhars avy ao amin'ny lemaka atsimon'i Nepal. Sary avy amin'i Sanjib Chaudhary. Nahazoana alalana.

Miendrika vorona ny Pilru, zavamaneno novolavolain'ireo vondrom-piarahamonina teratany Tharu sy Kumhar avy ao amin'ny lemaka atsimon'i Nepal tamin'ny tanimanga, ka tonga any amin'ny tanàna iray any andrefan'i Nepal ao amin'ny fivarotana zavakanto iray ao amin'ny Lohasahan'i Kathmandu, noho ny hetsika ara-javakanto notarihin'ilay Tharu mpanakanto Lavkant Chaudhary.

Efa nitety taranaka maro no nampiasan'ny vahoaka teratany zavamaneno vita amin'ny tanimanga rehefa misy lanonana, hetsika ara-tsosialy ary fankalazana, ary tsy vitan'ny manala hamohamo sy manala voly amin'ny fivoriana ihany fa natao hifandraisana sy hiraisan-tendro amin'ireo andriamanitra sy fanahy maro.

Pilru – Hiram-pifaharana

Ny pilru — Hiram-piavotana dia hetsiky ny vondrom-piarahamonina natokana handraketana, hiarovana ary hamerenana ny Pilru, zavamaneno nataon-tanana nampitain'ireo taranaka nifandimby avy amin'ny vondrom-piarahamonina Adivasi Tharu sy Kumhar ao Tarai,” hoy ny fanambaràn'ny mpanakanto Lavkant Chaudhary.

“Mirakitra lovan-tsofina, hira sy teknika ny tetikasa, mifantoka amin'ny feon'ny vondrom-piarahamonina ary manamafy orina ny Pilru ho fomba fanao velona, ​​fa tsy fironana miserana fotsiny.”

a man playing pilru

Roinu Chaudhary avy ao Dang, distrika iray any Nepal Andrefana, milalao pilru nandritra ny hetsika iray nokarakaraina tao Kathmandu. Sary avy amin'i Sanjib Chaudhary. Nahazoana alalana.

“Nianatra nilalao sy nanamboatra Pilru aho nandritra ny fahazazako,” hoy i Roinu Chaudhary, lehilahy 70 taona avy ao Deukhar any Lamahi any Nepal Andrefana, nandritra ny tafatafa niarahany tamin'ny Global Voices. Noderaina noho ny fandraisany anjara tamin'ny fikajiana ny filalaovana Pilru rehefa lanonana tao Kathmandu izy. “Mpitendry azy io izahay taloha rehefa niandry omby sy nankany an'ala.”

“Tsy nahita olon-kafa ankoatra ny Tharus aho nampiasa ity zavamaneno ity,” hoy i Chhabilal Kopila, Tharu mpanoratra literatiora sady mpikatroka, nandritra ny hetsika. “Mampanahy ny tsy fahalianan'ny taranaka tanora amin'ity zavamaneno ity.”

Iray amin'ireo mavitrika indrindra mampiasa Pilru i Santu Chaudhary avy ao Dang any andrefan'i Nepal, araka ny voalazan'i Kopila. Afaka mamorona mozika amin'ity zavamaneno ity ho an'ny karazan-kira rehetra izy.

Ity misy sombin-kira mampiseho an'i Santu Chaudhary mitendry Pilru:

 

Ampiasaina mandritra ny fetibe Bihu any Assam, India, ny Xutuli, zavamaneno mitovy amin'izany vita amin'ny tanimanga na volotsangana. Inoan'ny olona ho miantso ny orana ny feon'ny Xutuli, vita amin'ny endriky ny vorona, araka ny kolontsaina nentim-paharazana Assam.

Fangalarana ny fahalalàna nentim-paharazana

Milaza i Lavkant Chaudhary fa “toherin'ny tetikasa koa ny fangalaran'ireo fikambanana tsy teratany izay mandika, mivarotra ary manaisotra ny hasin'ity zavakanto ity nefa tsy mankatoa ireo mpanamboatra azy.”

Maro ireo fikambanana mamokatra sy mivarotra zavakanto sy vokatra ara-kolontsaina zanatany nefa tsy mampahafantatra amin'ny vondrom-piarahamonina sy mankatoa azy ireny, raha tsy milaza afa-tsy ny pilru irery.

“Mahatafiditra lafiny manan-danja amin'ny kolontsaina sy ny fomban-drazan'ny Vahoaka Teratany ny fanehoana ara-kolontsaina nentim-paharazana (TCE) sy ny fahalalàna nentim-paharazana (TK), izay tokony hanan-jo handrara, na hamela ny fampiasana ity fahalalana ity,” hoy ny soratr‘i Esther Aburto Olague, mpampanoa lalàna ao amin'ny OZM Legal & Business Consulting Services, ao Meksika. “Ny fampiasan'olon-kafa ivelan'ny vondrom-piarahamonina dia mety hiteraka fanitsakitsahana ny lova ara-kolontsainan'ireo vondrom-piarahamonina teratany ireo mihitsy aza.”

Nanoratra tao amin'ny Facebook i Kopila amin'ny fanohanana ny fanambaràn'i Lavkant hoe: “Raha mbola mitolona ho amin'ny fankatoavana ny vondrom-piarahamonina Tharu sy Kumhar, dia tena ilaina ny mifantoka amin'ny fitompoamanana, ny fahamendrehana ary ny rariny ara-kolontsaina.”

Hahazo tamberina sy tombony sahaza azy ireo teratany mpitsabo izay mikajy ny TCE sy ny TK rehefa eken'ny lalàna eo an-toerana fa mizaka ny zony amin'ny asany, na inona na inona karazany, anehoany ireo singa ara-kolontsainy sy ara-piziana, toy ny any Meksika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.