Niharan'ny herisetra ny mpanao gazety iray tany Papouasie-Nouvelle-Guinée noho ny tati-baovao izay nitranga tany am-ponja

Bomana prison

Fonjan'i Bomana ao Port Moresby. Pikantsary avy amin'ny tatitra an-dahatsary YouTube nataon'ny TVWAN Online. Ampiasaina araka ny tokony ho izy.

Nilaza ilay mpanao gazety matihanina papoue-néo-guinéenne, Rebecca Kuku fa nampiharan'ny mpiasan'ny fonjan'i Bomana herisetra taorian'ny nanaovany tatitra momba ny toe-javatra iainan'ireo voafonja. Nanaitra ireo vondrona media ao an-toerana ny zava-nitranga, izay nitaky ny hanaovana fanadihadiana haingana raha nanentana ny manampahefana hanaja ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety.

Nitatitra i Kuku sy ireo mpanao gazety hafa ao an-toerana fa voafonja maherin'ny 50 no niharan'ny herisetra ataon'ny mpiambina tao amin'ny fonja, saingy nitsipaka izany ireo tompon'andraikitry ny fonja ary nanizingizina fa miezaka misakana ny fikasana hitsoaka ny fonja fotsiny izy ireo.

Ho setrin'ny tati-baovao dia nilaza ny praiminisitra Papouasie-Nouvelle-Guinée James Marape fa tsy maintsy entina araka ny maha-olombelona ny voafonja.

Even in prison, human rights must be respected and those responsible for managing detainees must act within the law. Allegations of excessive force or mistreatment must be fully and independently examined.

Na any am-ponja aza dia tsy maintsy hajaina ny zon’olombelona ary tsy maintsy manaja ny lalàna ireo tompon’andraikitra amin’ny fitantanana ireo voafonja. Mila jerena lalina sy amin'ny fomba mahaleo tena raha misy ny fiampangana amin'ny fampiasan-kery tafahoatra na fampijaliana.

Nilaza i Kuku rehefa nitsidika ny Biraon'ny Sampan-draharahan'ny Fonja tamin'ny 27 Febroary tao Port Moresby, fa norahonana am-bava, avy eo nodarohana avy ao aoriana, ary norahonan'ny manamboninahitra noho ny tatitra nataony.

Nilaza ilay fampahalalam-baovao an-tserasera izay iasan'i Kuku, National, fa tsy maintsy manafay ireo manamboninahitra nanafika ilay mpanao gazety ny manampahefana.

For warders to now assault a journalist is reprehensible and does nothing to improve the image of the service. We are fully supporting our journalist in filing a criminal assault case. We are calling on the Correctional Service command to look into this and discipline the officers responsible. We have lodged a complaint with the Correctional Service management.

Tsy azo ekena ny fanaovana herisetra mpanao gazety ataon’ny mpiambina ny fonja ary vao mainka manimba ny endriky ny fonja. Manohana tanteraka ny mpanao gazetinay izahay amin'ny ezaka ataony amin'ny fametrahana fitoriana noho ny herisetra. Manao antso avo amin’ny tompon’andraikitry ny fonja izahay mba hanao fanadihadiana momba ity raharaha ity sy hanasazy ireo tompon’andraikitra. Nametraka fitarainana tany amin’ny mpitantana izahay.

Niampanga ny fikasana hanaratsy ny lazany tao amin'ny media sosialy i Kuku ary nanizingizina fa tsy nanao ratsy izy tamin'ny fitaterany ny zava-misy marina.

The pictures and videos were sent to all media houses [by inmates]. Similar reports were published/reported by all media houses.

Instead of blaming the media for doing our job, you should instead carry out an internal investigation and find out how these prisoners have access to mobile phones in the first place

Mainstream media is not a PR, we are not here to report the good only or write however way you want us to write news.

Our job is to tell it as it is. Whether it’s good or bad!

Nalefa[n'ireo voafonja] tany amin'ny fampitam-baovao rehetra ireo sary sy horonantsary. Navoakan'ny fampitam-baovao rehetra ihany koa ny tatitra mitovy amin'izany.

Tsy tokony hanakiana ny fampitam-baovao amin'ny fanaovana ny asany ianareo fa tokony hanao fanadihadiana anatiny sy hitady ny fomba nahazoan'ireo voafonja ireo finday.

Ny fampahalalam-baovao mahazatra dia tsy sampan-draharaha seraseram-bahoaka; tsy hitatitra zava-misy tsara na hanoratra araka izay tianareo hataonay ihany no ataonay eto.

Ny milaza ny zava-misy no anjaranay, na tsara na ratsy!

Mitaky fanadihadiana feno sy mahaleo tena ataon'ny polisy momba ny fanaovana herisetra tamin'i Kuku ny Filankevitry ny Media Papouasie-Nouvelle-Guinée. Nanameloka ity herisetra ity sy ny fandrahonana natao tamin'ny iray amin'ireo mpikambana ao aminy ny filohany, Neville Choi, ary nilaza fa ny mpanao gazety any Papouasie-Nouvelle-Guinée dia “tsy maintsy hajaina noho ny asa ataony amin'ny fampahafantarana sy fanabeazana ny vahoaka momba ny zava-mitranga manodidina azy.”

Nampiany koa fa raha tsy faly amin'ny tatitry ny vaovao ny olom-pirenena iray na manana porofo fa nisy mpanao gazety nivadika tamin'ny fanoratana lahatsoratra, dia afaka mampahafantatra tsotra izao ny Filankevitry ny Media izy ireo amin'ny fametrahana fitarainana an-tsoratra ofisialy.

Nanoritsoritra ny herisetra ho toy ny “herisetra manafintohina ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety sy ny fiarovana ny mpanao gazety amin'ny fanatanterahana ny asany” i Robert Iroga, filohan'ny Pacific Freedom Forum sady teratany avy any amin'ny Vondronosy Solomon.

No journalist should ever face intimidation or physical harm for reporting on matters of public interest.

Ms Kuku has filed a statement to Police and authorities must act swiftly to identify those responsible. This will demonstrate that such behaviour has no place within state institutions.

We also commend the National team and all editors and publishers who take swift action and call out these threats to their front line staff, particularly women journalists who are often targeted with specific verbal abuse, shaming and sexualised threats in ways that men do not suffer.

Tsy misy mpanao gazety tokony iharan'ny fampitahorana na herisetra ara-batana velively noho ny tombontsoam-bahoaka.

Nametraka fitarainana tany amin'ny polisy Rtoa Kuku, ary tsy maintsy mihetsika haingana ny manampahefana mba hamantarana ireo tompon'andraikitra. Hampiseho izany fa tsy azo ekena ao anatin'ny andrim-panjakana ny fihetsika toy izany.

Midera ny ekipam-pirenena ihany koa izahay, sy ireo toniandahatsoratra sy mpamoaka lahatsoratra rehetra izay namaly haingana sy miampanga ireo fandrahonana ny mpiasan'izy ireo eny an-kianja ireo, indrindra ireo vehivavy mpanao gazety, izay matetika iharan'ny fanevatevana, fanalam-baraka ary fandrahonana ara-nofo, tsy toy ny lehilahy.

Tamin'ny Mey 2025, laharana faha-78 amin'ireo firenena 180 ao amin'ny Tondron'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovan-gazety Manerantany amin'ny Reporters Sans Frontières i Papouasie-Nouvelle-Guinée. Nambaran'ny RSF fa “niatrika fampitahorana, fandrahonana mivantana, sivana, fanenjehana ara-pitsarana, ary fikasana hanao kolikoly, ka mampidi-doza ny asany” ny mpanao gazety ao amin'ny firenena.

#PNG: Miantso ny manampahefana ao Papouasie-Nouvelle-Guinée ny CPJ mba hanao fanadihadiana lalina sy hampiakatra fitsarana ireo tompon'andraikitry ny fonja izay voalaza fa nanao herisetra tamin’ilay mpanao gazety Rebecca Kuku. Manitsakitsaka ny zon'ny vahoaka hahazo vaovao ny fanafihana ny fampitam-baovao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.